![]() |
| Lalao Ravalomanana ho Filoha ... |
Na dia eo aza
ny sedra sy tsindry hazo-lena maro isan-karazany mahazo azy dia nasehon’ny Filoha
Ravalomanana sy ny ankolafy tarihany indray izao fa sahy ary tsy mihemotra ry
zareo amin’ny tolona ataony ho fanavotana sy famoahana indray ny Firenena sy ny
vahoaka Malagasy ao anatin’izao krizy sy fahantràna lalina misy izao.
Taorian’ny
tolona nandritra ny efa-taona izay tsy nitsahatra teto amin’ny Firenena mantsy dia
noporofoin’ny Filoha Ravalomanana sy ireo antoko maro mpanohana azy ary vondrona maro isan-karazany mpiara-dia aminy omaly fa sahy ary tsy mihemotra ry
zareo amin’ny dingana lehibe ataony. Noporofoiny izany amin’ny alalan’ny "Fanolorana an-dRamatoa Lalao Ravalomanana" ho kandidà hifaninana amin’ny
fifidianana Filoham-pirenena ho avy izao.
Nitady toko
ka sendra vato ireo mpanohana ny Filoha Ravalomanana.Na dia eo tokoa aza mantsy
ny sakana sy teti-dratsy ataon'ny sasany mba tsy ahafahan'ity Filoham-pirenena ara-dalàna sy
voafidim-bahoaka farany teto amin’ny Firenena ity hody an-tanindrazana dia velom-bolo sy nahazo hery
indray ireo antoko sy vahoaka mpanohana azy manerana ny Nosy eo anatrehan’izao dingana
lehibe vaovao miaraka amin-dRamatoa Lalao Ravalomanana izao.
D.R.

100% mividy azy eny Ambohitrimanjaka
RépondreSupprimerHo mafy ny tolona sady devoly ny fahavalo ka dia mankahery sy mivavaka ho anao Mme Lalao Ravalomanana.Andriamanitra anie homba anao sy ny Firenentsika.
RépondreSupprimer