RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Filoha Marc Ravalomanana: "Aza matahotra fa mijoroa hatramin’ny farany !"


    antso-ravalomanana-08-13.jpg
    Manan-teny ho an’ny vahoaka ny Filoha Marc Ravalomanana amin’izao toe-draharaha politika ankehitriny izao. Ninia tsy niteny aho hoy izy satria nanatena fa ho tontosa ny fifidianana; nefa dia tonga ny antsojay rehetra.
    Mahare ary faly indrindra ny Filoha Ravalomanana ny amin’ny fahavononan’ny vahoaka hijoro hatrany ary tsy hiova amin’ny teniny na dia sahirana aza.

    Misy tokoa ny olona manararaotra izany fahasahiranan’ny vahoaka malagasy izany ka mitsabatsabaka ary manao fitaovana ny olona anaty fahasahiranana.

    Tsy nahazo fanampiana isika noho ny mpitantana tsy voafidim-bahoaka. Mafy ny manjo ny malagasy ary mampahery hatrany ny ray aman-dreny ny Filoha Ravalomanana. Toy ny tongo-bakivaky no manjo ka sady maharary no mahamenatra.

    Mbola tsy nisy firenena ka hoe firenena avy any ivelany no miteny hoe ovay ny andrim-panjakanareo. Ahoana no ahafahana manery izany. Dia manararaotra izany koa ny sasany ka mampitahotra ny vahoaka.

    Ireo firenen-dehibe mahita fa tsy rariny izany ary milaza ny hanohana fa asaivo vonona hoy izy ny vahoaka malagasy. Vonona izy ireo fa aza matahotra, mahereza ary mijoroa hatramin'ny farany ary samy tokony hatsiaro tena fa manana zo sy fahafahana miteny ny vahoaka malagasy.

    Tsy misy fampandrosoana azo tanterahina raha tsy misy filaminana. Tsy hisy fandriam-pahalemana raha tsy atokisan’ny vahoaka ny mpitondra ary mipetraka ny ara-dalàna. Ny fanohanan’ny vahoaka malalaka ny safidiny no tena demokrasia. Manonofy foana izay mitady hipetraka tsy hanaraka izany. Tsy hilamina ny tany raha tsy misy ny fifidianana malalaka.

    Mahafantatra aho fa tena tsy azo anoharana intsony ny fahoriana. Isaorana manokana ny FFKM miezaka mampihavana.

    Mampahery ny rehetra ny Filoha Ravalomanana ary na iza na iza mampitahotra dia tsy hanakana antsika hijoro izany.

    1 commentaire:

    1. Mahereza Atoa Filoha ô!Andriamanitra anie homba anao mandrakariva.

      RépondreSupprimer