RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Matoky fandresena miaraka amin’i Dr Robinson Jean Louis ny vahoaka – Filoha Ravalomanana : « Tsy maintsy mandresy ny kandidatsika » [+ SARY/VIDEO]


    Dr Robinson Jean Louis N°33

    Fahombiazana tanteraka ny andro voalohan’ny fampihelezan-kevitra niarahana tamin’ny dokotera Robinson Jean Louis,izay kandidà atolotry ny antoko AVANA sy ny Ankolafy RAVALOMANANA.

    Natomboka tamin’ny fiaraha-mivavaka tao amin’ny kianja magro Behoririka izany ary notohizana tamin’ny fitsidihana ireo faritra maro teto Antananarivo.


    Ny azo hamintinana azy dia FIFALIANA sy FANANTENANA mifono FANDRESENA avy hatrany no hita eny amin’ny endrik’ireo vahoaka maro be nihaona sy niaraka tamin’ny Kandidà Dr Robinson Jean Louis tamin’ity andro voalohany ity.

    Nanamafy izany ny antso an-tarobia nataon’ny Filoha Marc Ravalomanana izay nilaza fa Dr Robinson Jean Louis no « favori » ary tsy maintsy ataontsika izay hampandresy azy.

    Araho eto ireo VAOVAO sy SARY hafa nanamarika ny andro voalohan’ny fampihelezan-kevitra omaly :



    Fampielezan-kevitra : matoky ny N°33 ireo mpiara-dia amin’i Dada [+ andian-tsary]




    FANDAHARAM-POTOANA ANIO SY RAHAMPITSO



    Isaorana manokana ireo namana rehetra naka sy tompon'ny ny sary

    1 commentaire:

    1. Alefa e!Fifidianana hafa kely izy ity ry Malagasy ary fifidianana mitongilana satria dia omena vahana tanteraka ireo kandidàn'ny mpanongam-panjakana; ary ankoatr'izay dia ny vahiny mba tsy hilazàna hoe ny frantsay no nisafidy izay kandidà hirotsaka hofidiantsika Malagasy.Ny tena marina dia fifidianana sarotra izy ity nefa fomba iray ihany koa hanehoantsika Malagasy ny fitiavan-tanindrazana ananantsika.

      Tandremo tsara ary diso safidy sy ho voafitaka isika ka tsy hahay hanavaka ireo kandidan'ny mpanongam-panjakàna sy ny frantsay izay efa nampitondra faisana antsika nandritra izay efa-taona mahery izay.

      Asehoy fa antsika Malagasy i Madagasikara,asehoy fa tiantsika ny tanindrazantsika,asehoy fa tsy ekentsika ny fanonganam-panjakàna natao teto ary tsy mila olon'ny mpanongam-panjakàna intsony isika.

      RépondreSupprimer