RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Antsonjombe : Nanao dingana lehibe makany amin’ny fandresena ny vahoaka ! [+andian-tsary]


    RobinsonJL_Ravalomanana_Antsonjombe.JPG

    Noporofoin’ireo vahoaka maro be zanak’i Dada sy mpanohana an’i Dr Robinson Jean Louis tetsy Antsonjombe fa vonona tanteraka hisedra fifidianana izy ireo ary tsy matahotra safidim-bahoaka.
    Feno sy hipoka tanteraka ny kianja ary nisy mihitsy aza ireo olona tsy tafiditra intsony ka voatery nitady toerana hafa avoavo ivelan’ny kianja satria samy te hanotrona sy te hanaraka ary hiara-mientana miaraka amin’ny kandidà natolotry ny atoko Avana sy ny Ankolafy Ravalomanana daholo.

    Vahoaka feno fifaliana sy feno fanantenana no nameno an’Antsonjombe.Vahoaka mino sy vonona tanteraka hamadika ny pejy ary sahy hanao dingana lehibe mankany amin’ny fandresena miaraka amin’i Dokotera Robinson Jean Louis.

    Anisan’ny nampiavaka tanteraka iny hetsika goavana tao Antsonjombe iny ny fanarahan-dalàna sy fifanajàna tanteraka nisy teo amin’ireo vahoaka satria dia nilamina sy nitambatra ho toy ny feo iray izy ireo .Toetra sy fihetsika izay mampiavaka tokoa ireo zanak’i Dada.

    Tsinjo fa mangetaheta fiovana tanteraka ny maro,ary te hiala haingana amin’izao krizy lavareny nambolen’ny sasany nandritra efa-taona mahery izao.

    Dodona ny handresy ireo vahoaka ary vao maika nanome hery lehibe azy ireo ny nahita ny Filoha Ravalomanana tamin’ny alalan’ny sary sy feo nivantana avy atsy Afrika atsimo ka na dia nijojo dia nijojo aza ny orana dia samy tsy nisy niala teo : «Aiza izahay izay lena eo »… « Jereo kely ny tableau,33 ilay numéro »… « Izy ilay favori,Robinson Jean Louis »… « Mila dokotera hitsabo ny aretiny ny Firenena »…Ireo no tsy afaka am-bavan’ny maro mandra-pahavita ny fotoana ka na dia lena sy kotsan’ny orana tanteraka aza dia mbola tsikitsiky sy fifaliana arahina fanantenana hatrany no nisarahana teo an-kianja.

    Ny azo antoka dia kandidà matanjaka sy andrandrain’ny maro hanala an’i Madagasikara amin’izao fahantràna lalina sy tsy manam-paharoa mahazo azy izao i Dr Robinson Jean Louis.Kandidà andrandrain’ny maro ihany koa indrindra indrindra mba hampody indray an’i Dada Ravalomanana eto an-tanindrazana,izay filoham-pirenena mamim-bahoaka nitondra fandrosoana haingana dia haingana tao anatin’ny fotoana fohy teto amin’ny Firenena,ary nanakinan’ny Malagasy ny safidiny sy fitokisany tamin’ny alalan’ny fifidianana in-droa nisesy nisy teto.

    Indro ireo andian-tsary mirakitra sy mitantara ny zava-nisy teo Antsonjombe


    Sary: Daniel Rakotoarisoa /Mydago.com/GTT miaraka amin'ny Filoha Ravalomanana/...

    Madagasikara Malalako

    1 commentaire:

    1. Mankasitraka antsika ry vahoaka a!Izao no tena atao hoe vahoaka mampiseho hery aminy.Tsy mba hijery artista fotsiny no naleha teny fa nandray anjara mavitrika t@ fotoana rehetra mihitsy.Tena vahoaka sahy sy vonona!!Araho maso tsara ny fikarakarana fifidianana na aloha na aorian'ny latsa-bato fa tsy maintsy mandresy isika e!Samy tahian'Andriamanitra!

      RépondreSupprimer