Noporofoin’ireo vahoaka maro be zanak’i Dada sy mpanohana an’i
Dr Robinson Jean Louis tetsy Antsonjombe fa vonona tanteraka hisedra
fifidianana izy ireo ary tsy matahotra safidim-bahoaka.
Feno sy hipoka tanteraka ny kianja ary nisy mihitsy aza ireo
olona tsy tafiditra intsony ka voatery nitady toerana hafa avoavo ivelan’ny
kianja satria samy te hanotrona sy te hanaraka ary hiara-mientana miaraka amin’ny
kandidà natolotry ny atoko Avana sy ny Ankolafy Ravalomanana daholo.
Vahoaka feno fifaliana sy feno fanantenana no nameno an’Antsonjombe.Vahoaka mino sy vonona tanteraka hamadika ny pejy ary sahy hanao dingana lehibe mankany amin’ny fandresena miaraka amin’i Dokotera Robinson Jean Louis.
Anisan’ny nampiavaka tanteraka iny hetsika goavana tao
Antsonjombe iny ny fanarahan-dalàna sy fifanajàna tanteraka nisy teo amin’ireo
vahoaka satria dia nilamina sy nitambatra ho toy ny feo iray izy ireo .Toetra
sy fihetsika izay mampiavaka tokoa ireo zanak’i Dada.
Tsinjo fa mangetaheta fiovana tanteraka ny maro,ary te hiala
haingana amin’izao krizy lavareny nambolen’ny sasany nandritra efa-taona mahery
izao.
Dodona ny handresy ireo vahoaka ary vao maika nanome hery
lehibe azy ireo ny nahita ny Filoha Ravalomanana tamin’ny alalan’ny sary sy feo
nivantana avy atsy Afrika atsimo ka na dia nijojo dia nijojo aza ny orana dia
samy tsy nisy niala teo : «Aiza izahay izay lena eo »… « Jereo
kely ny tableau,33 ilay numéro »… « Izy ilay favori,Robinson
Jean Louis »… « Mila dokotera hitsabo ny aretiny ny Firenena »…Ireo
no tsy afaka am-bavan’ny maro mandra-pahavita ny fotoana ka na dia lena sy
kotsan’ny orana tanteraka aza dia mbola tsikitsiky sy fifaliana arahina
fanantenana hatrany no nisarahana teo an-kianja.
Ny azo antoka dia kandidà matanjaka sy andrandrain’ny maro hanala
an’i Madagasikara amin’izao fahantràna lalina sy tsy manam-paharoa mahazo azy
izao i Dr Robinson Jean Louis.Kandidà andrandrain’ny maro ihany koa indrindra
indrindra mba hampody indray an’i Dada Ravalomanana eto an-tanindrazana,izay
filoham-pirenena mamim-bahoaka nitondra fandrosoana haingana dia haingana tao
anatin’ny fotoana fohy teto amin’ny Firenena,ary nanakinan’ny Malagasy ny
safidiny sy fitokisany tamin’ny alalan’ny fifidianana in-droa nisesy nisy teto.
Indro ireo andian-tsary mirakitra sy mitantara ny zava-nisy teo Antsonjombe
Sary: Daniel Rakotoarisoa /Mydago.com/GTT miaraka amin'ny Filoha Ravalomanana/...
Madagasikara Malalako
Madagasikara Malalako

Mankasitraka antsika ry vahoaka a!Izao no tena atao hoe vahoaka mampiseho hery aminy.Tsy mba hijery artista fotsiny no naleha teny fa nandray anjara mavitrika t@ fotoana rehetra mihitsy.Tena vahoaka sahy sy vonona!!Araho maso tsara ny fikarakarana fifidianana na aloha na aorian'ny latsa-bato fa tsy maintsy mandresy isika e!Samy tahian'Andriamanitra!
RépondreSupprimer