RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Marc Ravalomanana: "Fanambitsika Malagasy ny mandresy amin’ity fifidianana ity"


    Marc_Ravalomanana_hafatra.jpg




    HAFATRA SY TORO-MARIKA AVY AMIN'NY FILOHA MARC RAVALOMANANA

    Ry vahoaka Malagasy tia tanindrazana ,mitaky ny hamerenana ny tany tan-dalàna,ny fanajàna ny lalam-panorenana ary ny soa toavina maha Malagasy!

    Faly tokoa aho afaka miresaka aminareo amin’ny alalan’izao fahitalavitra izao na amin’ny alalan’ny radio ahafahako manazava,mitondra aminareo ny zavatra misy aty ivelan’i Madagasikara; misy zavatra tokony hofantarintsika Malagasy satria adidy aman’andraikitra ny milaza an’izany amin’izao fotoana fanaovana ny fampihelezan-kevitra,fandresen-dahatra ary koa hilazàna ny zava-misy sy ny zavatra tsy nolazaina hatramin’izay.


    Milaza aminareo aho satria hatramin’ny nahatongavako taty ivelan’i Madagasikara,taty afrika Atsimo dia tsy mbola tapaka na indray mandeha aza raha vao misy resaka momba ny hoe fijerevana ny famerenana indray ny filaminana aty Madagasikara,famerenana indray ny tany tan-dalàna,ary indrindra indrindra famerenana an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

    Fantatsika tsara fa nitranga izao krizy ara-politika izao,dia tonga koa ny krizy ara-ekonomika ary ny krizy ara-tsosialy.

    Tsy mamela ahy hangina mialohan’izao fifidianana izao.Andro vitsy sisa dia ho tong any fa 25-n’ny volana oktobra 2013 handehanantsika rehetra hanefa ny adidy.Koa miantso ny vahoaka Malagasy rehetra aho mba samy hanefa izay adidy izay.Iarahantsika mahafantatra,iarahantsika mahita fa fifidianana tsy mitovy amin’ny fifidianana rehetra ity fifidianana hantrehintsika amin’ny faha 25-n’ny volana oktobra ho avy izao ity sy ny manaraka.

    Fifidianana natao amboletra hoy aho aminareo ary fifidianana nanilikilihana.Fifidianana notsabatsabahan’ny vahiny,natao amboletra satria tsy nanaja na nahatanteraka izay rehetra nifanarahana sy nosoniavina na teo anivon’ny Malagasy,na teo anivon’ny firenenm-be Afrikana ary nanilikilihana satria tsy navela hisafidy izay olona tiany hitondra azy ny Malagasy; ary notsabatsabahan’ireo vahiny satria vitany hatramin’ny fanovàna ny lalàna fototra:Fanampahan-kevitra izay noraisin’ny mpitsara,ary ny fanoloana an’ireo izay ho mpitsara ny fifidianana (CES).

    Tsy mbola nisy ohatr’izany teto ambonin’ny tany,tsy misy fifidianana ohatr’ity fifidianana ity.Ka izay no lazaiko aminareo hoe “Fanambitsika Malagasy ny mandresy amin’ity fifidianana ity” ka fidio ary Dokotera Robinson Jean Louis.

    Tsy mbola tapaka hoy aho aminareo na indray mandeha aza ka tsy nanatrika na nandefa olona hanatrika ny fivoriana izay natao taty Afrika aho mikasika an’i Madagasikara.

    Ny antony dia tsotra;satria misy fifanarahana anie e!Misy an’ireny “communiqués” ireny na fanambaràna,misy an’ireny “decisions” ireny tsy nisy notanterahina na iray aza.Ny mampalahelo dia tsy nampahafantarina an’izao tontolo izao fa dia natao amboletra ny fanampahan-kevitra izay nitranga hanaovana izao fifidianana izao.Olona vitsy izay entanin’ny “motivation”-ny n any ambo-pon’izy samirery hanao fifidianana no mahatonga an’izao;miaraka amin’ny mpitondra Malagasy vitsy azo isaina amin’ny ratsan-tanana.

    Ry Malagasy! Mahita aho,mahatsapa aho fa mila mitandrina dia mitandrina isika mba tsy hahatonga ohatra ratsy an’i Madagasikara eo anivon’i Afrika,mba tsy hahatonga ohatra an’i Madagasikara eo anivon’ny SADC.

    Efa anisan’ny Firenena tena sahirana sy mahantra indrindra i Madagasikara amin’izao fotoana izao.Koa mitandrema re!Fidio tsara izay olona tiantsika hitondra an’ity Firenena ity.

    Raha tiana ho tafita hono ny lakana hitàna,avadiho ahitàna ny tevin-damosiny.Raha tiana ho vanona izay ho filoham-pirenena,fakafakao sao mpanongam-panjakàna.

    Milaza izany aminareo aho satria te hahita Firenena vanona aty Madagasikara.

    Tsy atakalotsika vola,ary tsy ometsika na iza na iza ny fitiavan-tanindrazana.Tsy voavidin’iza na iza!

    Misaotra betsaka ry vahoakan’Antananarivo tamin’ny hetsika lehibe izay nampitola-gaga an’izao tontolo izao.

    Misaotra betsaka ry vahoakan’i Mahajanga izay mampahatsiaro indray ny fiarahantsika.

    Ry vahoakan’i Fianarantsoa,ry Antsirabe,ry Antsiranana.Ho avy koa ny any Toliara,ny any Toamasina.Misaotra betsaka!

    Misaotra betsaka koa an’ireo vahoaka any amin’ny faritra sy distrika.Fantatro fa mihaino ny hafatr’i Dada ianareo,fantatro fa mihaino tsara,manaraka tsara ny fandehan-draharaha ianareo.

    Ny ambo-potsika rehetra Malagasy dia izao:Tsy matahotra fifidianana isika ka dia araho tsara ny toro-marik’i Ravalomanana.Tsy hamadika na oviana na oviana an’i Madagasikara na ny vahoaka Malagasy aho.

    Hoy aho aminareo hoe fifidianana tsy mitovy amin’ny fifidianana rehetra izy ity fa fifidianana atao amboletra koa samia mitandrina tsara.Mahaiza mifidy,hefao ny adidy.Iny safidinao iny,iny vato arotsakao iny,iny fanampahan-kevitrao iny dia zava-dehibe ho an’ny Firenentsika sy ny ho aviny.Indrindra indrindra ho an’ireo misalasala sy izay mbola tsy tapa-kevitra.Tongava!Miara-dia isika mba hanovantsika izao fitondràna mampijaly ny vahoaka madinika izao,ny vahoaka maro an’isa izao.Tongava!

    Mandresy hoy aho aminareo ny hafatra izay apetrako aminareo koa dia matoky aho,mino aho fa handresy isika “1er tour dia vita”.

    Misaotra ry vahoaka Malagasy!
    Aza matahotra,minoa fotsiny ihany.

    Momba antsika mandrakariva Andriamanitra,ary tia antsika izy.Ary isika koa mahafantatra sy mahalala fa zava-dehibe ny adidy aman’andraikitra miandry antsika tsirairay avy amin’izao fifidianana izao.


    Samia tahian’Andriamanitra!

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire