![]() |
| Mitohy ny diantsika miaraka amin'i Dr Robinson Jean Louis... |
Eo
anatrehan’izany dia nitondra hafatra sy toro-marika ho an’ny vahoaka ,indrindra
ho an'ireo mpifidy, ny Filoha Marc Ravalomanana.Nanantitrantitra sy nanazava ny antony
lehibe nanolorany sy nanohanany an'i Dr Robinson Jean Louis izy tamin’izany ary
nitondra ny heviny sy fanazavàna ary fandresen-dahatra ireo vahoaka Malagasy
mpifidy mba hanohana sy hifidy an’ity kandidàn’ny antoko Avana sy ny Ankolafy
Ravalomanana ity.
Ry vahoaka
Malagasy mangetaheta fiovana,mitaky ny famerenana ny tany tan-dalàna,fanajàna
ny lalam-panorenana ary ny soatoavina maha Malagasy.
Adidiko,andraikitro
amin’izao fotoanan’ny fampihelezan-kevitra sy ny fandresen-dahatra ny mpifidy
izao ny manazava amin’ny vahoaka Malagasy indrindra fa ny mpifidy fa izao
fifidianana izao dia tsy mitovy amin’ny fifidianana izay natao hatramin’izay teto
Madagasikara.Fifidianana izay natao amboletra hoy aho aminareo satria dia tsy
nisy najaina na notanterahina izay fifanaraha vita tao anatin’ny tondro-zotra
sy ny charte-n’ny “Union africaine”
Fifidianana
nanilikilihana satria tsy navela hifidy izay olona tiany hitondra azy ny
vahoaka Malagasy ary fifidianana notsabatsabahin’ny vahiny satria dia vitany
hatramin’ny nanova ireo “membre”-n’ny CES na ireo mpitsara amin’ny fitsaràna
manokana momba ny fifidianana ary dia toy izany koa ny didy aman-dalàna izay
manan-kery eto amin’ny tany sy ny fanjakàna.
Fanambintsika
hoy aho ny mandresy amin’ity fifidianana ity ka dia fidio Dr Robinson Jean
Louis, fa izy no hitako fa favori!
Mahafantatra
ary mahalala tsara aho ny zava-misy.Tsy ho voakosoka velively eo anivon’ny
Firenena Afrikana ny zavatra nitranga,fanonganam-panjakàna taty Madagasikara
tamin’ny 2009,ary maika moa fa ny Malagasy izay niaina nandritra ny efa-taona
sy tapany tao anatin’izany krizy politika izany vokatry ny
fanonganam-panjakàna.
Hoy aho
aminareo hoe zava-dehibe ny mapahafantatra ny vahoaka,ny mpifidy ny zavatra
tsara ho fantatra mialohan’ny fifidianana.Mila olom-banona isika,mila olona mendrika
sahaza an’i Madagasikara ary hanangana indray Firenena vanona, Madagasikara
mendrika eo anatrehan’izao tontolo izao.Tsy sanatriavin’ny vava ho avelantsika
ho ohatra ratsy aty Afrika i Madagasikara,ary tsy ekentsika na oviana na oviana
ny hametraka an’i Madagasikara hahantra amin’ireo harena hanany.Ka minoa ahy
ianareo,matokia ahy ianareo;hiasa miaraka isika.
Fanambintsikany mandresy amin’ity fifidianana ity ka dia “Fidio ary Dr Robinson Jean Louis”
Tongava daholo
mifidy na vavy na lahy fa izay koa no hitako fa hampody ahy.Hoy aho aminareo
hoe fotoanan’ny fampihelezan-kevitra izao,fotoana hilazàna sy hampahafantarana
ny mpifidy ny antony hanohanana kandidà iray.Manohana azy aho,manohana azy ny
Avana,ny Movansa Ravalomanana satria nandinika sy namakafaka tsara fa vitany ary
sahaza azy ny ho lasa ho filohan’ny repoblikan’i Madagasikara.
Mila
fifampatokisana,mila mahay mifandray amin’ny olona,ary mila olona madio sy
mendrika,mijoro amin’ny fahamarinana ny Firenentsika.Ireo mpamatsy vola sy ireo
Firenen-dehibe izay miaraka amintsika ihany koa dia manara-maso akaiky dia
akaiky izao fifidianana izao sy izay olona ho voafidy eo.
Koa hoy aho
aminareo,koa hoy aho amin’ny Malagasy hoe mahaiza mifidy,mahaiza mifidy.Tsy
hilavo lefona isika eo anatrehan’ny amboletra,na eo anatrehan’ny fanilikilihana
na koa ny fitsabatsabahana;fa kosa hasehontsika amin’ny fomba mihaja sy
mendrika fa mahalala ny tokony hataony ny vahoaka Malagasy,ary mahita ny
lalan-kalehany hivoahana amin’izao fahasahiranana izao.
Ka minoa
ahy ianareo fa ho vitantsika indray ny hanarina ny simba,hanohy ny lalana izay
efa nataontsika.Ho vitantsika indray ny hampianatra ireo zanantsika ary ny
hamerina ny hasin’i Madagasikara eo anivon’ny Firenen-drehetra.
Izany anefa
mila fifampatokisana lehibe dia lehibe,izany anefa mila olona mendrika sy
sahaza azy.Koa sahia ary miara-dia,hifidy an’i Dr Robinson Jean Louis.
Ny toky
fitaka,fa ny atao no hita.Koa raha tiana hotafita hono ny lakana hitàna,avadiho
ahitàna ny tevin-damosiny.Raha tiana hateza ny lamba tafiana,jereo irony tenony
sao tsy mikitroka.Ary raha tiana ho olom-banona hono ny filoham-pirenena izay
hofidiana,fakafakao sao mpanongam-panjakàna.
Ry vahoaka
Malagasy!Mahalala ny tokony hataony ary mangetaheta fanovàna sy
fampandrosoana.Minoa ahy ianareo fa hiverina amin’ny laoniny ny
fiainana.Apetratsika ny tany tan-dalàna,fitondràna tsara tantana,ary indrindra
indrindra ny fandriam-pahalemana sy ny filaminana mba hahafahan’ny rehetra
mizaka ny zo maha olona ny olona,mba hahafahan’ny rehetra higoka ny
hatsembohany sy ny vokatry ny asany.Mampanantena izahay,mampanantena isika fa
vitantsika izany,ary hotanterantsika ny mamerina indray an’i Madagasikara eo
amin’ny toerana sahaza azy sy mendrika azy.
Mino
isika,ary matoky fa momba antsika mandrakariva Andriamanitra.Koa aza mamoy fo,aza
manary toky,manàna fanantenana mandrakariva fa momba antsika Andriamanitra,ary
tsy mahafoy antsika izy,tia antsika izy.
Samia Tahian’Andriamanitra!


Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire