RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Affichage des articles dont le libellé est Fifidianana 2013. Afficher tous les articles
    Affichage des articles dont le libellé est Fifidianana 2013. Afficher tous les articles

    Marc Ravalomanana:"Ho vitantsika indray ny hanarina ny simba,hanohy ny lalana izay efa nataontsika ! Fidio Dr Robinson Jean Louis!" [+VIDÉO]



    Ravalomanana_RobinsonJL2013.jpg
    Mitohy ny diantsika miaraka amin'i Dr Robinson Jean Louis...
    Andro vitsy sisa dia higadona ny fifidianana filoham-pirenena.Efa-taona sy tapany aty aorian'ny fanonganam-panjakàna mavaivay izay nampitondra takaitra sy loza ho an’i Madagasikara dia ho afaka haneho ny zony sy ny safidiny indray ny vahoaka Malagasy.Latsaka an-katerena sy very hasina  tanteraka ny Firenena,ary miaina fahantràna tsy manam-paharoa vokatr’izany ny 92%-n’ny Malagasy.

    Eo anatrehan’izany dia nitondra hafatra sy toro-marika ho an’ny vahoaka ,indrindra ho an'ireo mpifidy, ny Filoha Marc Ravalomanana.Nanantitrantitra sy nanazava ny antony lehibe nanolorany sy nanohanany an'i Dr Robinson Jean Louis izy tamin’izany ary nitondra ny heviny sy fanazavàna ary fandresen-dahatra ireo vahoaka Malagasy mpifidy mba hanohana sy hifidy an’ity kandidàn’ny antoko Avana sy ny Ankolafy Ravalomanana ity.

    Toy izao ary ny hafatra sy toro-marika avy amin’ny Filoha Ravalomanana:

    Marc Ravalomanana: "Fanambitsika Malagasy ny mandresy amin’ity fifidianana ity"


    Marc_Ravalomanana_hafatra.jpg




    HAFATRA SY TORO-MARIKA AVY AMIN'NY FILOHA MARC RAVALOMANANA

    Ry vahoaka Malagasy tia tanindrazana ,mitaky ny hamerenana ny tany tan-dalàna,ny fanajàna ny lalam-panorenana ary ny soa toavina maha Malagasy!

    Faly tokoa aho afaka miresaka aminareo amin’ny alalan’izao fahitalavitra izao na amin’ny alalan’ny radio ahafahako manazava,mitondra aminareo ny zavatra misy aty ivelan’i Madagasikara; misy zavatra tokony hofantarintsika Malagasy satria adidy aman’andraikitra ny milaza an’izany amin’izao fotoana fanaovana ny fampihelezan-kevitra,fandresen-dahatra ary koa hilazàna ny zava-misy sy ny zavatra tsy nolazaina hatramin’izay.