![]() |
| Hafa ihany ny Filoham-pirenena tena mamim-bahoaka! |
Miharihary toy ny vay an-kandrina ankehitriny ny
fihatsaram-belatsihin’ireto milaza azy fa mpitondra.Tsy takona afenina ny
fiheveran’izy ireo ny vahoaka Malagasy ho toy ny zaza kely sy bado nanomboka
tany amin’ny fanonganam-panjakàna 2009 ka hatramin’ny fifidianana
filoham-pirenena farany teo izay nametrahana an’Ingahy Rajaonarimampianina ary
mandraka ankehitriny.
Omaly ingahy praiminisitra nilaza fa tsy maninona i
Ravalomanana na mbola mijanona atsy Afrika Atsimo aza satria manana trano sy
sakafo mahavoky azy izy any.Fa Ingahy Praiminisitra Kolo Roger ve tsy nanana
trano sy sakafo nahavoky azy tany Soisa izay firenena nonenany nandritra
ny am-polon-taona maro? Inona no nahamaika azy hanao Praiminisitra eto
Madagasikara ? Ny fitiavan-tanindrazana tokoa ve ? Enga anie, satria
raha fitiavan-tanindrazana no resaka dia manana izany tsy tambo isaina ny
Filoha Ravalomanana; ary tsy vitan’ny tia Tanindrazana izy fa naharesy lahatra
ny vahoaka Malagasy izay nifidy azy indroa nisesy teto amin’ny
Firenena.
Filoham-pirenena voafidin’ny vahoaka Malagasy in-droa nisesy ny Filoha
Ravalomanana fa tsy mpitondra fanjakàna notendrena sy nomena seza.
Nanambara koa
Rtoa minisitry ny raharaham-bahiny Lala Harisoa Razafitrimo fa tsy misy olona
ambonin’ny lalàna eto raha nanisy teny mikasika ny fodian-dRavalomanana eto
an-tanindrazana ny tenany.Raha tena hiresaka lalàna marina isika Rtoa minisitra
dia aza asiana mizàna tsindrian’ila sy zanak’Ikalahafa ity raharaham-pirenena
ity.Ampiharo amin’ny rehetra ny lalàna (na dia tsy minisitry ny fitsaràna aza
ianao) manomboka hatrany amin’ireo mpanongam-panjakàna izay efa iarahan’ny
rehetra mahalala hoe iza avy izy ireo.Tsy mila mandeha lavitra ianao fa feno
olona mpanongam-panjakàna sy voarohirohy tamin’ny fanondranana antsokosoko ny
harem-pirenena manodidina anao manomboka any amin’ny an-tanatohotra ambony
indrindra ka hatrany amin’ny farany ambany.
Aoka tsy hofitahina sy atao tsinontsinona intsony ny vahoaka
Malagasy amin’ity rasaka fampihavanam-pirenena ity.Mody tsy miady tsy miady
nefa ny kibay an-kelika ihany.Efa nangataka ny mba hisian’ny fanadihadiana
lalina sy fanadihadiana iraisam-pirenena mikasika ny raharaha 7 febroary 2009
ny Filoha Ravalomanana saingy mahagaga fa misy miasakana foana izany mandraka
androany.Ary rehefa hampihantra lalàna sy hanao fanadihadiana ihany tsy tsara ve
raha hitarina farafaharatsiny hatrany amin’ny raharaha « Alatsinainy
mainty » na 26 janoary 2009 ny resaka izay vanin’andro manjombona koa
satria namoizana aina Malagasy an-jatony mahery miampy ireo orinasa maro be
izay norobaina sy nodorana tao anatin’ny fotoana fohy ka niteraka fahapotehana
ara-ekonomika goavana ho an’ny Firenena ary mbola baben’ny 92%-n’ny malagasy
mahantra ankehitriny.Ny fanondranana antsokosoko ireo harem-pirenena toy ny « andramena »
(bois de rose), biby, volamena,sns tsy asian-teny intsony.
Raha tena ampiharina amin’ny rehetra ny lalàna,raha atao
mazava sy tsy mitanila ny fanadihadiana rehetra mikasika ireo tranga ireo dia tokony
ho samy afaka mamaly ny tsirairay hoe « Iza no tena ambonin’ny lalàna sy
tsy refesi-mandidy eto »
Ny zavatra azo antoka dia tsy voafehin’ny fotoana sy tsy
voasakan’iza na iza ny fitiavan’ny vahoaka maro an’isa ny Filoha
Ravalomanana.Ny fanaratsiana, ny fanedrikendrehana ary ny fanaovana tsindry
hazo-lena azy dia tsy mampiova fa vao maika mampiakatra ny fitiavan’ny vahoaka
azy.
Ary sao dia izay laza sy fitiavan’ny vahoaka ny Filoha
Ravalomanana izay kosa aza no tena antony goavana atahoran’ny sasany sy ny reny
malalany azy ? Tena mbola hafa mihitsy tokoa aloha izany Filoham-pirenena tena voafidy
sy mamim-bahoaka izany e!
D.R.

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire