RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Marc Ravalomanana: "Te hody aho! Vonona hiatrika fitsaràna mahefa raha ilaina izany"


    ravalomanana-tim-madagasikara.jpg

    Niditra mivantana tamin’ny alalan’ny antso an-tarobia tetsy amin’ny foiben’ny TIM (Tiako I Madagasikara) tetsy Bel’air androany maraina ny filoha Ravalomanana. Nanatrika izany teny an-toerana ny filoha nasionalin’ny Antoko TIM Razoarimihaja Solofonantenaina, ny SG Rakotoarivelo Mamy, ny Me Randrianarivelo Désire, ny Me Benja, ny depiote Guy Rivo Randrianarisoa sy Voahangy, ny Ct teo aloha Zafilahy. 

    "Miarahaba anareo , ry vahoaka malagasy ary indrindra indrindra ny TIM tarihin-dRazoarimihaja."
    "Tena faly aho naheno hoe azonareo ny didy avy any amin’ny minisiteran’ny ati-tany, milaza fa miverina amin’ny laoniny ny TIM. Zava-dehibe izany ka isaorana an’Andriamanitra. Isaorana azy ihany koa ny nahafahantsika nihaona androany. Noho izany dia miarahaba anareo mpitarika aho, ka mahaleova mahalasana.Izany akory tsy milaza fa vita hatreo ny adidinareo, mbola misy koa ireo hafa mbola te hanatevin-daharana, hiverina hiaraka amintsika, koa tandremo tsy hanidy varavarana. Ilaina dia ilaina ny fampitambarana ny Tim sy ny fanomezana hery vaovao azy indray, ilaina dia ilaina ny fifanankalozan-kevitra satria tao anatin’ny taona maromaro dia nanahirana dia nanahirana ka isaorana an’Andriamanitra fa vita soamantsara izany."

    "Manàna ezaka ary manàna fo mandefitra sy saina tokony hahalala ny zavatra atao ianareo mpitarika ny TIM, ary mangataha amin’ny fanahy masina mba hirotsaka aminareo mba hahafanareo mampandroso indray ny TIM, hanana ny maha izy azy ny atoko politika TIM. Misaotra ny fitondram-panjakana ihany koa ny tenako hoy ny filoha, indrindra ny minisiteran’ny Ati-tany nanome taratasy mamerina amin’ny ara-dalàna."

    "Manaraka izany dia nandeha be ny resaka tato ato momba ny fiverenako. Zava-dehibe ny fihainoana ny rehetra rehefa milaza satria ny marina no katsahinareo, zavatra mitombina sy misy no lazainareo.”


    TE HODY SA TSIA ?


    « Iarahantsika mahalala fa nandritra ny enin-taona aho taty ary nanao izay azo atao rehetra hanatanterahana ny tondrozotra."

    "Nisy ny fivoriana izay natao tany Tanzania, Afrika Atsimo, Mozambika ary tamin’izany no nanaovana sonia hampiharana ny tondrozotra. Tamin’izay dia nilaza mihitsy ny hoe fiverenana tsy misy fepetra, voalaza izany tamin’ny volana jona 2011. Raha hanontanianareo aho hoe te hody sa tsia, dia efa fantatrareo fa tamin’ny 21 janoary 2011, efa nandeha aho ary efa tonga tany Madagasikara,tany Morondava, nilaza ny mpanamory fa tsy maintsy miverina isika. Nandeha fanindroany indray aho, niditra tao anaty fiaramanidiana ary nilaza ny "Air Links" fa tsy mahazo mandeha ianao. Hatramin’izay ka hatramin’izao ka mbola nangataka ny pasipaoroko hoe omeo ny fanavaozana ny pasipaoroko fa lany daty. Izy ireo no nilaza fa avereno ny pasipaoronao roa any aminao dia omena vaovao ianao, misy porofo izany. Nihaona tamin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina aho tamin’ny 24 May nilaza taminy hoe misy io taratasy io ary ny minisiteran’ny raharaham-bahiny no nilaza izany. "

    "Tiako ny milaza aminareo fa izahay mivady mitovy ny fangatahana nataonay fa ny ahy no miandry ka tsy fantatro ny mahatonga izany. Tsy misy ao amin’ny andininy ao amin’ny lalàm-panorenana malagasy milaza fa tsy azo omena pasipaoro ny tera-tany Malagasy ary pasipaoro diplaomatika ny any aminy minisiteran’ny raharaham-bahiny." 

    "Nahazo fanasana aho tamin’ny 26 jona hanatrika ny lanonana fetim-pirenena teny Mahamasina. Gaga aho fa naterin’ny “motards” teny Faravohitra. Avy eo vao hoe ataovy izay hahatongavanao. Nangataka “laisser-passez” aho nefa tsy nisy valiny hatramin’izao. Hanamafisako anareo sy ilazako anareo fa vao naheno ny fivorian’ny GIS-M teto aho tamin’ny Alarobia lasa teo ary naheno ny fanambaran’ny minisitra tomponandraikitra. Hoy aho tena mazava ny teniny, tena manana zo feno ny tera-tany Malagasy hiverina an-tanindrazany, samy naheno izany ianareo mpanao gazety.Teo aho dia nilaza fa tena manaraka ny lalàm-panorenana Malagasy ny fitondrana ary mandeha amin’ny ara-dalàna. Zava-dehibe izay. Tamin’ny telo ora hariva aho nanatitra indray “laisser-passez” tany amin’ny ambasady teto Pretoria hiverina any Madagasikara." 

    "Porofo mitohoka amin’ny tendany izany fa te hody aty an-tanindrazana aho hiaraka amin’ny vady aman-janako. Izay no nahatonga ny Gis-M teto Antananarivo hanara-maso ny fitondrana izay voafidy amin’izao ary neken’izao tontolo izao. Tena manaja ny teny nomeny tokoa ve ny fitondrana hametraka tany tan-dalàna? manaja lalàm-panorenena indrindra efa mijery ny fanatanterahana ny tondrozotra? Mba tsy hisian’ny lakolosy tokana henonareo dia izao ny zava-marina, efa nilaza aho, te hody an-tanindrazana aho, ary tsy mieritreritra afa-tsy ny hody aty an-tanindrazana aho." 

    "Miandry ny valin’ny taratasy napetrako tamin’ny Alarobia aho dia mody. Mazava ny teny nataon’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny, satria zava-dehibe ny filazany fa tsy misy olona ambonin’ny lalàna, manaiky aho ary izay no tany tan-dalàna, manaja ny zon’olombelona. Averiko indray ny fanontaniana fa efa hatramin’izay aho te hiverina aty Madagasikara, tsy hitondra ady sanatrin’ny vava fa hitondra fandriampahalemana, fampihavanana samy Malagasy. Koa minoa ahy ianareo amin’ny maha kristiana ahy, antsika rehetra, dia samy mitana ny teniny. Averiko indray fa efa enin-taona aho no taty ary efa te hody." 

    "Raha tianareo ho fantatra ny laharana nanaterana ilay “laisser-passez” tamin’ny Alarobia dia ny laharana faha 437 tamin’ny 09 jolay lasa teo tamin’ny telo ora. Hamafisiko ho re tany ho ren-danitra , ho ren’izao tontolo izao fa te hody aho. Hampiseho ny fahaiza-mitantana amin’ireo mpanaraka ahy, mpanohana ahy." 

    "Tsy nanao ratsy teto amin’ny fireneko sy ny vahoaka Malagasy aho ka tsy atahorako ny hiverina eto Madagasikara, hitondra fampandrosoana aho ary fitoniana politika. Vonona aho ny hody, izaho Marc Ravalomanana dia vonona hiatrika ny fitsarana mahefa raha ilaina izany.”

    “Momba ny filazan’ny minisitry ny fitsarana fa mbola mitombina ny didim-pitsarana teo aloha dia tsy matahotra hiatrika ny fitsarana mahefa aho. Misy ny tokony holazaina eo amin’ny lafiny ara-pitsarana ary apetrako amin’ireo mpahay lalàna izay mpisolovava miaro ahy ny fanazavana ny Me Randrianarivelo Désire, nanendry azy aho mba tiako ho fantatrareo rehetra, fa izy no hisolo tena ahy amin’ny raharaham-pitsarana rehetra na amin’ny fanjakana na hafa. Efa miomana ny amin’izany izahay amin’ny fampiharana ny lalàna."

    "Momba ny fihaonana teo amin’ny Hery sy ny tenany dia nambarany fa "nisy ny fihaonana tamin’ny 24 may teo, voalaza tao ny antony hahatongavany taty. Matoa aho nilaza fa hanohana ny fitondrana dia vonona aho hiara-hiasa fa tiako ho fantatra ahoana ny fipetraky ny pasipaoroko, tokony ho sarahina io pasipaoro io ary zoko tanteraka ny mahazo io. Tamin’izay aho nilaza hoe aleo mba hotonga eto ny mpisolovava ahy Brian Currin satria izy no hisolo tena ahy satria izy no mahalala ny lalàna iraisampirenena. Nanaiky Rajaonarimampianina tamin’izany.Nilaza aho fa zava-dehibe ny fihaonantsika ary izao dia fanombohana ihany amin’ny fihaonantsika.zavatra iray azoko resahina aminareo dia ny fitakiana ny pasipaoro fa tsy mety mihitsy ny mipetraka aty antanin’olona aty tsy misy pasipaoro (…)"


    "Momba ny hoe tsy fanekena ny didim-pitsarana teo aloha, raha izao no anontaninareo dia zavatra telo no niampangana ahy ka ny voalohany tamin’izany dia ny hoe varotra tany tamin’ny Daewo teny Andohotapenaka. Nazavaiko fa tsy mitombina ireo. Efa nanaiky ihany no ny fitsarana iraisampirenena tany La Haye fa tsy mitombina izany, ny sadec ihany koa efa nilaza fa tsy mitombina."

    "Mikasika ny voalaza fa misy raharaha mahavoarohirohy ny filoha Ravalomanana any Afrika Atsimo dia nambarany fa « ny fitsarana taty dia nangataka tamin’ny fitondrana Malagasy efa in-droa izay hoe omeo ny porofo milaza fa misy raharaha maha voarohirohy ny filoha Ravalomanana, tsy mbola nisy valiny hatramin’izao. Tsy ny fitondrana aty Afrika Atsimo no mitazona ahy fa afaka mody aho.”



    Loharanom-baovaohttp://mydago.com/ - http://www.tim-madagascar.org/

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire