FIARAHABANA SY HAFATRA HO AN’NY BIRAO POLITIKA SY NY
MPIKAMBANA REHETRA AO AMIN’NY TIAKO I MADAGASIKARA
Misaotra an’Andriamanitra mandrakariva isika.
Faly miarahaba anareo rehetra aho ianareo ao amin’ny birao
politika izay tarihin’ny filoha RAZOARIMIHAJA solofonantenaina ny mpikambana
rehetra ato amin’ny antoko, ianareo rehetra nitoto nahafotsy nahandro
nahamasaka amin’ny fiverenan’ny antoko « Tiako I Madagasikara »
amin’ny ara-dalàna eo amin’ny lafiny ara-panjakàna.
Zava-dehibe loatra ho antsika ny hafahantsika indray indray
miasa miaraka hampiroboroboina sy hampatanjaka ny antoko « Tiako I
Madagasikara » ka hilazako anareo hoe ny tonga miaraka dia fanombohana
ihany fa ny miasa miaraka no fahombiazana.Koa hamafiso ny firaisankina sy ny
fihavanana.
Manana andraikitra lehibe amin’izany ianareo mpitarika
amin’ny fanokafana ny varavarana ho an’ireo rehetra maniry hiara-dia ka manaja
ny foto-kevitra hijoroan’ny antoko « Tiako I Madagasikara ».Tsy
hanilikilika na hanavakavaka isika fa hifandefitra sy hijery ny tombotsoan’ny
antoko sy ny firenena ka tsy hanadino ny soatoavina Malagasy.
Ny fifampitokisana, ny fandraisana andraikitra, ny
fifanajàna eo amintsika rehetra no zava-dehibe indrindra ka hitondra antsika
any amin’ny fanantenana dia ny hananantsika firenena vanona ho an’ny taranaka
mandimby.
Eo ny antoko « Tiako I Madagasikara » ankehitriny
hanatanterahana izany tarigetra izany koa manentana antsika rehetra hahavita be
amin’izany aho.
Homba antsika mandrakariva anie Andriamanitra.
Johannesburg, 11 jolay 2014
RAVALOMANANA Marc
Filoha mpanorina
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire