RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Filoha Ravalomanana: "aza terena izahay hanao zavatra tsy tokony hataonay fa mety vidina lafo"


    hafatra-ravalomanana-magro.jpg


    Nahitsy sy hentitra ny hafatra sy toro-marika avy amin'ny Filoha Marc Ravalomanana raha nitafa nivantana tamin'ny vahoaka tamin'ny alalan'ny antso an-tarobia tetsy amin'ny kianjan'ny finoana Magro Behoririka ny tenany.Toy izao manaraka izao ny andinindinina tamin'izany hafatra sy toro-marika izany:

    Tsy mety ny mangina na mijery fotsiny ny fahoriana manjo ny Malagasy ankehitriny ary mahatsiaro ho tompon'andraikitra ny tena ary aleo miteny mba tsy hanenenana any aoriana. 

    Ry vahoaka malagasy, mahita aho fa tena sahirana sy latsaka amin’ny hantsana mangitsigitsoka ny firenena. Tahaka ny olona rehetra dia nino sy nanantena fa hiverina amin’ny tany tan-dalàna ary indrindra indrindra fa hitandro ny fihavanana sy hijery ny fandriampahalemana hiaro ny vahoaka malagasy. 

    Fito volana lasa izay, izaho irery ihany no nilaza fa hanohana tsy misy fepetra ny fitondrana izay mijoro, ary nankatoavin’ny firenena rehetra ny nahalany azy. Nanaiky aho ary vonona ny hanohana, namafisiko tamin’ny filohampirenena Hery Rajaonarimampianina izany tamin’ny 24 may fa hanohana aho. Raha nihaona indroa tamin’ny mpiandraiki-draharaha amerikana aho , ary nanotany ahy izy hoe ahoana ny hevitrao dia nilaza aho fa hanohana io fitondrana io ary nampatsiahy fa tokony esorina ny sazy ary tokony hamonjy ny fihaonana an-tampony any Etazonia. 

    Zava-dehibe loatra ny hahafahana manatrika izao fihaonana an-tampony ny filohampirenena Afrikana sy Etazonia ny 05 sy 06 Aogositra ho avy izao. Mbola nanitrikitrika ry zareo fa hoe izahay mahita fa olona iray fotsiny ny movansa Ravalomanana , ka manaiky ve ianao. Mbola mahatoky aho satria zava-dehibe ny fifampitokisana sy ny fitoniana politika. Nandritra ny fito volana izay toa fihatsaram-bela-tsihy , toa tsy mifanandrify amin’ny hetaheta sy fanirian’ny vahoaka Malagasy ny zava-mitranga. 

    Ireo firenen-dehibe dia mihaotrahotra ary mieritreritra tsara vao sahy hanampy ara-bola. Marina dia marina tokoa fa izaho nilaza fa hanohana ary nanao izay azo atao mba hananantsika firenena tan-dalàna ary ampihantra ny demokrasia indrindra ny fahalalan’ny mpanao gazety, ny fanajàna ny zon’olombelona. 

    Izaho izao dia tena nilaza ampahibemaso fa hanohana nefa tsy nomena pasipaoro fa nolazaina daholo ny antsanga tsy aman’orana izao, ary dia gaga aho. Ny antony mahatonga izany dia tsy misy fifampitokisana satria lasa mihatsara-vela-tsihy sy samy mihevitra ny tenany irery. 

    Manana traikefa amin’ny fitantanana ny firenena aho ary tadidio fa i Madagasikara no nahazo voalohany teto ambonin’ny tany ny MCA. Niezaka Etazonia nandefa ny « peace corps » teto. Noho izany dia tsy misorona aho miteny aminy ary izy koa tsy misorona miteny amiko. Aza matahotra isika vahoaka Malagasy fa efa nanoratra tany Etazonia aho omaly nitantara ny zava-misy taty Madagasikara Raha hitantsika ny laharan’i Madagsikara araka ny navoakan’ny Onu dia faha 155 isika akaikin’ny gisitra, ny gisitra anefa dia ireo firenena misy ady toa an'i Palestina, kanefa isika tsy misy miady fa tsy fahaizana mitantana mihitsy no misy. 

    Misy fetrany daholo ny fotoana . Samy mahatsiaro isika fa tamin’ny fampielezan-kevittra izay natao sy zavatra natao tamin’ny haino amanjery dia notenenina fa mahamaika ny famerenana ny sesitany ary faharoa ny fampihavanana. Dradradradraina ny filohampirenena, ny Praiminisitra, ny minisitra, ny hoe mahamaika dia ny vahoaka 22 tapitrisa fa tsy olona iray, ny filoha Ravalomanana izany. Anontanio ireo vahoaka Malagasy ireo, mahatsapa ny fijerinareo ve izy ireo?

    Apetraka ny fanontaniana amintsika rehetra. Moa ve amin’ireo vahoaka 22 tapitrisa ireo dia afaka manome antoka ianareo fa hisy tokoa ny fampandrosoana? Sahy milaza aminareo aho fa tsia. Raha mijery ny zava-misy aho amin’izao fotoana izao, manaramaso akaiky ny raharaha any Madagasikara. Taorian’ny fotoana vao natao ny « loi de finances rectificatives ». 

    Hatramin’izao mbola tsy nipetraka fa teo aloha teo vao napetraka ny tompon'andraikitra amin’ny andrim-panjakana samihafa. Na ny programa aza tsy fantatra. Noho izany tsy mifanandrify amin’ny zava-mitranga. 

    Tsy vaovao amiko akory ny fitantanana ny firenena fa valo taona aho teo. Ianareo Praiminisitra nilaza fa tsy laharam-pahamehana ny fampodiana ny filoha Ravalomanana. Aza terena izahay hanao ny zavatra tsy tokony ataonay fa mety vidian-dafo satria mahatonga fahasahiranana lava. Rehefa zavatra nifanarahana dia tanteraho. Pasipaoroko , zoko tanteraka no mahazo azy nefa tsy omena sao tonga aty izy. Omaly Brian Currin (mpisolovava) dia efa namakafaka tsara tany amin’ny fitsarana Afrikana Tatsimo momba ny raharaha mikasika ahy izany, tsy mitombina na iray aza fa izaho dia nampamono olona tamin’ny 07 febroary. 

    Milaza amianareo aho fa misy marina tsy azo vonoina . Miantso ny tomponandraikitra isan-tokony aho mba aoka samy ho tena tompon'andraikitra. Miresaka matetika amin’ireo minisitra antsika aho ary nilaza izy fa sahirana izahay. Misy fetrany ny zavatra rehetra. Rehefa teren-dry zareo isika hanao zavatra tsy fanao dia afaka adidy amin’ny fatana aho fa nandoro kitay tsy nirehitra. 

    Matoa aho milaza izany dia ampatsiahiviko ny teneniko fa rehefa hiverina any Madagasikara dia tsy matahotra ny hiatrika fitsarana raha ilaina izany ary fitsarana mahefa hitsara ahy ka hanana porofo. Tsy nanao ratsy tamin’ny vahoaka Malagasy aho, nahavita lalana amin’ny kilaometatra maro izahay, nahatafiditra mpianatra nianatra tany antsekoly izahay, ary nahavita ny fampandrosoana ny harikarena 7,5% izahay.

    Tsy midera tena toa voatango aho, amin’ny asa vitako fa averiko foana fa raha tsy miroso ny fampihavanam-pirenena dia tsy misy fampandrosoana. Manana traikefa sy afaka mizara izany hoe « vérité » sy ny fampihavanam-pirenena ry zareo Afrikana Tatsimo, niaina izany aho nandritra ny dimy taona. Ny minisitry ny raharaham-bahiny tsy henatra tsy tahotra sahy milaza f’angaha azo atao safobemantsina ny fampihavanana, mahamenatra ny mihaino azy. Ianao ve vao amambolana no teo. Tsy natao hanenjika an’iza na iza aho amin’izao fitenenana izao fa aoka hifanaja. Amin’ny herinandro aho hiresaka amin’ny Sadc hoe tsy mety ny atao amin’ny vahoaka Malagasy. Raha tena lehilahy dia manantanteraka ny andraikitra. Raha ny pasipaoroko iny dia tsy maintsy azoko fa aza matahotra. Ny zava-dehibe amiko dia ny hampihena ny fahorian’ny vahoaka Malagasy. Isika mpanao politika isan’ambaratongany aoka tsy hisalasala fa efa malalaka ny politika ary aoka handanjalanja ny teny izay ataony. Tsy hitondra korontana aho raha tonga any Madagasikara fa hitondra filaminanana. Tsy manaratsy, tsy mampitahotra aho fa apetraho aloha ny fifampitokisana. Rehefa mipetraka izany dia afaka miara-miasa amin’ny any ivelany isika fa tsy fihatsarambelantsihy. Efa niantso ireo filohan’ny delegasiona antsika aho, ny filohan’ny Tim, ny depiote , fa tsy araka ny niheverantsika azy ny zava-misy.

    Henoy eto ny antso sy hafatra avy amin'ny Filoha Marc Ravalomanana:

    PRM0208

    Loharanom-baovao: mydago.com


    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire