RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Marc Ravalomanana: " Tsy matahotra aho hiatrika fitsaràna mba hilazàko ny marina!"


    ravalomanana-fitsarana_madagasikara.jg
    "Tsy matahotra mihitsy aho ny hiatrika fitsarana hilazako ny marina."
    Antso sy toro-marika niavaka tanteraka tamin’ny lasa rehetra no nataon’ny Filoha Marc Ravalomanana ny sabotsy lasa teo. Hentitra, nahitsy ary feno fahavononana tanteraka ny tenany raha nitafa nivantana tamin’ny alalan’ny antso an-tarobia tamin’ireo vahoaka maro be mpanohana azy tetsy amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka. Antso sy toro-marika izay miantefa mivantana ihany koa indrindra indrindra ho an’ny vahoaka Malagasy rehetra manerana ny Nosy amin’ny alalan’ireo gazety sy hainoamanjery maro isan-karazany. Toy izao manaraka izao raha fintinina tsotsotra izany antso sy toro-marika izany : 

    « Misaotra an’Andriamanitra lehibe isika fa nizotra tsara ny fivoriana taty ary manana fanantenana lehibe isika. Ireo olona tonga nivory niaraka taminay dia tena manana traikefa na “experience” satria niaina tamin’ny “Apartheid” na fanavakavahana taty Afrika Atsimo izy ireo.

    Mahalala tsara izany tsy fifankazahoana sy adilahy politika izany. Mpinamana akaiky amin’i Brian Currin mpisolovava ahy ary namana akaikin’ny ambasadaoro aty madagasikara. Hoy izy ireo tamiko hoe te hihaino aminao izahay prezidà ary matokia ahy ianao fa izahay ireto dia samy manana andraikitra amin’ny fanatanterahana ny asa any Madagasikara. Hoy aho mazava tsara ny teniko,raha hampody ahy ianareo dia hiresaka aho fa raha tsy izay dia tsy hiresaka aho. Hoy izy hoe mizara efatra mazava tsara ny resaka ataontsika dia hampody anao no laharam-pahamehana resahintsika eto ary hamatantra sy hijery ny zava-marina aty Madagasikara ary avy eo hampihavana ny Malagasy indrindra ny mpanao politika, avy eo miroso amin’ny fanarenana an’i Madagasikara.

    Hoy aho averiko indray, ny famelanareo ahy mody no maika. Izaho androany dia vonona, rahampitso vonona, amin’ity herinandro ity vonona, ka rahoviana no hody. Hoy izy ireo hoe ampio izahay fa hanao izay tratry ny ainay hampody anao ao anatin’ny fotoana fohy. Avy any Madagasikara izahay hoy izy ary nihaona tamin’ireo tompon’andraikitra mpitondra fanjakana tany Madagasikara. Ny ankamaroan’izy ireo, raha tsy lazaina hoe 90% na 95 % dia mila hiantso mihitsy hoe avereno Ravalomanana fa raha tsy izany tsy milamina aty. Misy ny tena manakana sy matahotra hoy izy ka azonao lazaina aminay ve hoe inona no mampitahotra azy ireo?

    Hoy aho, tsy izaho aty no anontanianareo ny mampatahotra azy fa izy anontaniana. Kanjo tamin’iny herinandro iny dia nisy olona tsy nafenipenina, tsy nahatsapa ny toerana misy azy. Tsy nihaino ny feon’ny fieritreretany. Niantso ahy indray izy ireo hoe ahoana marina ny zava-misy any Madagasikara fa toa olona manana ny maha izy azy no miteny. Hoy aho, tsara aminareo ny miverina any dia anontanio izy. Koa samia ianareo mihaino tsara fa misy minisitra telo izay samy vehivavy avokoa izy ireo, Alice Rajaonah, Ratsivalaka Lala, Bakolalao. Ireo no minisitry ny fitsarana niaraka tamiko nanana ny fahalalana izy ireo. Tena nanaja tena ary nanaja ahy, izaho koa nanaja azy. Na indray mandeha aza tsy mba niantso niaraka nisakafo taminy ka hanao fanambarana ampahibemaso hanaratsy olona.

    Zavatra tsy fanao eto ambonin’ny tany ny toeran’ny minisitry ny fitsarana miteniteny foana. Tena menatra aho aty. Ahoana no mahatonga ahy hiteny izany. Ao amin’ny baiboly aza milaza fa aoka hitsara amin’ny fitsarana marina. Ianao milaza fa hitsara amin’ny fitsarana marina nefa tonga dia mitsara hoe tamin’ny 2002. F’angaha adinoanao fa tamin’ny 2002 na 2008 be ny zavatra vita. 

    Hoy aho, aleo aho hiresaka aminareo amin’ity hariva ity fa tena misy mihitsy ny niteny fa rehefa ny minisitry ny fitsarana no tsy mijanona amin’ny maha izy azy dia tsy handeha rahoviana izany firenena vanona izany. Izaho tsy hiteny hoe minisitra tamin’ny fitondrana tetezamita satria mpanongam-panjakana fa miresaka amin’izao fotoana izao fa minisitra ara-dalana ka tsy tokony hanao ireny fihetsika ireny mihitsy.

    Atao ahoana fa efa nataony ny azy iny. Tsy matahotra mihitsy aho ny hiatrika fitsarana hilazako ny marina. Fa ianao io , aza adino fa ny olona tohananao dia olona ao anatin’ny 109* nanongam-panjakana.

    Raha nihaona taminao Brian Currin dia nifamaly ianareo satria nanazava Brian Currin fa fitsarana tsy mahefa io. Izany zavatra izany androany, omaly, tamin’ny herinandro dia niteraka resaka hoe mba manana ny “qualification” ihany ve io ramatoa io sa tsia?

    Hoy aho aminareo ry vahoaka Malagasy: Aoka mba hajaina izany haja amam-boninahitry ny Malagasy izany, ny toerana ao anatin’ny fitsarana. Averiko indray fa tamin’ny fihaonanay taty ny 24 may, raha nihaona izahay dia hoy aho hoe aza terenareo hanao zavatra tsy tokony ataonay izahay fa vidinareo lafo. Samia mihaino tsara ry vahoaka manam-panahy. Ny tantara tamin’ny 2002 no nahafoana ny trosantsika izay nahatratra 15 miliara dolara. Tamin’ny 2002 no niditra tany ampianarana daholo ny zanaka Malagasy. Tamin’ny 2002 no namokatra vary be indrindra i Madagsikara tamin’ny fifaninanan’ny tantsaha. (...), Madagasikara no nahazo fanampiana MCA voalohany eran-tany niaraka tamin’ny AGOA.

    Tolona sy hetsi-bahoaka taona 2002

    Tsy mba nisy ny delestazy na indray mandeha aza. Tafakatra 7,5 % ny tahan’ny harinkarena. Izany no nahatonga ny filoha Almena niantso ahy tany Nairobia hoe te hanampy anao izahay sy te hiresaka aminao nefa tsy navelan’ireo. Raha tianareo, raha tiantsika dia averintsika ny tamin’ny taona 2002 ho fanarenana an’i Madagasikara amin’ny lohany. Tsy misy zavatra mampatahotra antsika izany fa izay mahasoa ny Malagasy no atao fa tsy ny mahafaly azy akory.


    Tsy matahotra ny hitarika ny vahoaka amin’izany aho ary mahafatantra ny lalana hitondrana ny firenena. Rehefa teren-dry zareo isika fa hamerina ny tamin’ny 2002 na 2008 dia ho avy aho. Tsy mba olona kanosa aho manao zavatra.

    Hoy aho aminareo, hiresaka aminareo aho androany. Hangataka fihaonana amin’ny filoha Zuma aho amin’ny herinandro ambony hilaza aminy tsara ny fanapahan-kevitro sy ny zavatra ataoko any Madagasikara. Tena marina ny nataoko tamin’ny 2002, tsy misy hanenenako mihitsy

    (...) Tena momba ny vadiko aho raha nilatsaka ho fidiana filohampirenena fa vahoaka no nifidy. Ianao raha te hirotsaka dia midira sefom-pokontany raha lanin’ny olona. Manana fahavononana sy fahasahiana fa ho avy i dada ary tena ho avy ao miaraka amin’ny namako taty, ny fahaizako politika, ny fananako fifandraisana etsy sy eroa ary indrindra ny mpanohana iraisampirenena, ny “banque mondiale”, ny vondrona eoropeana.

    Tamin’ny herinandro iny tany Paris nametraka fanontaniana tamin’ny mpitondra taty madagasikara ny vondrona eoropeana hoe nakaiza ny vola azo tamin’ny hetra 66% ny vola. Izany ve no atao hoe fanjakana tan-dalana, fampandrosoana ny firenena. Diso be izany. Raha haka tahaka ny MAP iny ianao dia manafara profesora avy any Harvard. (...)

    Raha nanao iny izahay dia nisy mpanolo-tsina niaraka taminay fa tsy nataotao foana. Ohatra io. Tena mahamenatra ary tsy ho tafariana mihitsy i Madagasikara raha tsy miray hina.

    Matoky anareo aho fa hanohana ahy ianareo ary izaho matoky anareo(…). Matoa aho miteny izany dia manana fahavononana ary ny andro sisa iainako dia hanarenako ny firenena. Vitantsika ny mampiditra ny ankizy an-tsekoly (…). Hoy aho aminareo hoe matoa aho miteny izany dia mahafantatra ny hitondrako ny firenena. Matoa aho miteny nanohana taloha fa tsy amin’izao fotoana izao (…).

    Loharanom-baovao: mydago.com

    3 commentaires:

    1. Izahay vahoaka koa ry Dada dia tsy matahotra hiady ho an'ny ferenentsika sy ny tsy rariny mahazo azy. Matokisa fa tsy hamela anao hiady irery ireo rehetra izay mahatsapa fa t@ fitondranao no nisy fampandrosoana tena marina sy azo tsapain-tanana teto Madagasikara. Ianao tokinay, izahay tokinao.

      RépondreSupprimer
    2. Mila mikaroka hevitra hafa haingana ianao Mr le président raha te hody eto an-tanindrazana miaraka @'ireo vahoaka maro be mpanohana anao.Efa iaraha-mahalala fa tena mbola mampitahotra mafy ny sasany ny hery ara-politika anananao ka tsy atao mahagaga raha mitady izay fomba ratsy rehetra ry zareo mba hanakanana ny fodianao.Fitondrana tsy manana ny maha izy azy io misy io sy ny mpanongam-panjakana teo alohany satria ny fatahorany anao dia midika fatahorana ny safidim-bahoaka sy ny fitiavan'ny vahoaka anao.Mitadiava hevitra maika hafa ahafahanao mody ary aza matoky tanteraka ireo leaders mpanao politika ao @ mouvancenao sy ny antoko TIM fa misy mpamadika sy matim-bola mpamitaka ao.Fidio izay tena olona azo atokisana sy tsy hamadika anao fa ny ankamaroan'ireo nametrahanao fitokisana hatr'izay dia mpamadika sy ampiasain'ny fahavalo @ fanakanana anao daholo.Mahereza satria tombony lehibe ho anao ny fanananao ny vahoaka maro be tsy mety manadino sy mpanohana anao.

      RépondreSupprimer
    3. Raha reny tenin'ilay Min fitsarana reny dia tsy volombolon'ny hanaiky ampody an-dRavalo mihitsy io fitondrana io.Tetezamitatra bis no misy, fitondrana azo t@ tsy ara-dalana dia matahotra an-dRavalo izay filoha tena lany t@ safidim-bahoka marina.Taiza teto ambon'tany koa mbola nisy minisitera mitazona passeportn'olona izay mba tsy afahany mody raha tsy teto Madagascara @'zao andron-dRajaonarimampianina izao.Fitondrana tsy malala menatra sady tsy manaja lalana no tsy manaja zon'olombelona.

      RépondreSupprimer