RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Fampihavanam-pirenen-dRajao: "Malok'ila"


    fampihavanam-pirenena-madagasikara.jpg

    Na nahay nihatsara vela-tsihy sy nampandry adrisa nandritra ny fotoana vitsy mba hampatoriana ny vahoaka aza ingahy Rajaonarimampianina dia nilatsaka tanteraka ny saro-tavany ankehitriny.Nanambara ity farany fa "Tsy maintsy miatrika fitsarana aloha i Ravalomanana".Mazava tanteraka ho an'ireo mora norebirebena sy nanaiky nofitahina hatrany amboalohany amin'izay angamba izao fa "Fangalana an-keriny" sy "Fanagadràna" ary "Fanaovana takalon'aina politika" no tena mahazo ny Filoha Marc Ravalomanana ankehitriny. Mazava tanteraka fa misy manao mpitari-bato vilam-bava ka tsy vonona mihitsy hiroso velively amin'izany "Fampihavanam-pirenena" izany eto.


    Ny azo antoka dia tsy ny fitsaràna izay atao biby fampitahorana ankehitriny no olana fa ny fanaovan'ireo milaza azy fa manam-pahefàna an'izany fitsaràna izay ho "fitaovana politika" sy ny fisian'ny mizàna tsindrian'ila vokatry ny fanararaotam-pahefàna mihoa-papana ao anatin'izany.

    Fa iza tokoa moa no tena nanao inona teto amin'ny Firenena? Iza no tena matahotra mafy ny hivoahan'ny "MARINA" eto? Atao ririnin-dasa tsy tsaroana tokoa ve ny lasa rehetra ka tsy maintsy izay didin'ny be sandry ihany no "Fitsaràna" ampiharina eto? Raha tena fitsaràna ara-dalàna sy tsy mitanila marina mantsy ny resaka dia mba maro ihany ireo mpanao politika, indrindra fa ireo mpitondra na teo aloha ana ankehitriny no tokony tsy ho afa-bela amin'izany fampiharana ny lalàna anatin'ny fitsaràna izany raha tsy hitanisa fotsiny hafa tsy ireo "andian'olona voasazy miisa 109" izay niharan'ny sazy iraisam-pirenena vokatry ny fandikan-dalàna goavana sy fanosihosena ny zon'olom-belona ary ny fanonganam-panjakàna nataon'izy ireo teto amin'ny Firenena.

    Aiza ho aiza ny fanadihadiana sy fampiharana ny lalàna mikasika ny raharaha "Lundi noir" izay namoizana aina Malagasy ampolony maro teto? Ny fananan'olon-tsotra sy ny fananam-panjakàna fanahy iniana nodorana sy norobaina nandritra ireny fotoana ireny manginy fotsiny.Ambonin'ny lalàna daholo ve ireo olona tompon'antoka tamin'ireny fandrobàna Firenena ireny?

    Aiza ho aiza ny fanadihadiana sy fampiharana ny lalàna mikasika ny fandrobàna sy fangalarana antsokosoko ny harem-pirenen'ny malagasy eto (Bois de rose, volamena, vatosoa, biby lany tamingana,sns)?

    Betsaka ny fitoriana sy atontan-taratasy miapanga ireo mahavanon-doza amin'ny fanaovana ampihi-mamba ny harem-pirenena nefa toa odian'ny "FITSARANA" tsy hita avokoa izany!

    Raha tena fitondràna matoky tena sy marina tokoa no misy eto amin'ny Firenena ankehitriny dia aoka re mba tsy hatao fitaovana hanapotehana sy hanafenana ny "MARINA" ny fitsaràna.

    Raha tena fitiavan-tanindrazana sy fampandrosoana ny Firenena ary "Fampihavanam-pirenena" marina no tanjona dia aoka izay ny fanaovana fitaovana politika ny fitsaràna sy ny mpitandro ny filaminana!

    Aoka izay ny fanenjehana sy fanapotehana an-dRavalomanana!

    Ndao omena tanana sy tohanana ny FFKM mba hirosoana amin'ny tena "Fampihavanam-pirenena" marina izay hany fototra sy vahaolana amin'ny fampandrosoana ny Tanindrazana.

    Atsipy ny teny am-po sy an-tsain'ny mahalala!


    Madagasikara Malalako

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire