Taorian'izay roa volana latsaka nanagadràna ny filoha Ravalomanana izay dia nahazo fahafahana hamangy sy hitsidika azy indray ny vady aman-janany. Nandritra izay fotoana lava izay dia maro ny vahoaka, indrindra ireo mpanohana an'i Dada no tsindrian-daona sy mangetaheta ny vaovao momba azy.
Tamin'ny faran'ny herinandro teo ary dia nampita hafatra sy vaovao avy any amin'ny "amirauté" Antsiranana, izay toerana hitazomana an-keriny sy tsy an-drariny an'ity filoha teo aloha izay tena mbola mamim-bahoaka tokoa ity Ramatoa Lalao Ravalomanana.
Izao indray izahay vao afaka nihaona tamin’i Dada. Salama tsara izy ary mahatsiaro ny vahoaka malagasy indrindra isika eto amin’ny Magro. Manana finoana satria Andriamanitra irery ihany no tompon’ny fahefana ary mahavita izay mahagaga.
Efa tafahaona vetivety tamin’ny mpisolovava Brian Currin i Dada ary efa miasa sy mifandray amin’ny tomponandraikitra isan’ambaratonga io mpisolovava io na eto an-toerana na avy any ampita.

Mampalahelo anefa dia tsy mba afaka nihaona amin’ny mpisolovava malagasy i Dada. Tsy navela hiditra hijery an’i Dada izy ireo fa mino foana isika ary tsy kivy.
Nampita hafatra i Dada manao hoe : « manohana sy manamafy ny fampihavanana izay tarihin’ny ray aman-dreny am-panahy FFKM, ary manantena fa hivoaka ny marina satria ny marina marina foana. Matoky isika fa mahalala sy mahay, mahavita ny hiafaran’ny krizy manjo ny Malagasy ny fampihavanana sy ny fiaraha-miasa amin’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena ».
Mba tsy hahatompon-trano mihono indrindra ho anareo ao amin’ny Magro dia hoy i Dada hoe :« minoa fotsiny ihany. Aza adinoina fa isika Malagasy dia iray ihany ka tsy hiady eny atsinanan-dalana ; tsy avela vita ho azy no hamakiana loha. Matoa nisy ny honono, siosion-dresaka, fanaratsiana, fanenjehana, ny antsika tsotra, ny marina dia marina foana, tsy azo iadiana ny marina. Isika dia mijoro amin’ny fahamarinana eto amin’ny kianjan’ny finoana. Tsy maintsy mitrandraka ny finoantsika rehetra ary mametraka izany eo ambany fitahian’Andriamanitra. Homba antsika Andriamanitra. »

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire