![]() |
| Profesora Raymond Ranjeva (Sary:http://www.tim-madagascar.org/) |
Nifamotoana tamin’ny Malagasy monina ao amin’ny faritry Parisy izay namaly antso ny profesora Ranjeva. Mazava ho azy fa ny raharaham-pirenena no nifantohan’ny resaka ary tamin’ny famelabelarana izay nataony talohan’ny fanontaniana avy amin’ireo nanatrika dia nanome ny fijeriny izy.
Tamin-kalalahana tanteraka ny dinika no natao. Nambarany tamin’izany fa matoa ny loha-hevitry ny fihaonana dia ny “lalana mankany amin’ny fanasitranana” dia midika izany fa (mbola tsy salama) marary ny firenena. Eo anatrehan’izany dia tokony hisy ny fifanakalozan-kevitra eo anivon’ny samy Malagasy satria maro no tsy mahalala ny zavatra tena hiainany.
Raha mbola tsy mahatsapa izany koa ny rehetra satria tokony samy manana ny anjara tandrifiny amin’izany, dia tsy ho tanteraka izany. Be tokoa ny tsy mahatsiaro fa marary ny firenena satria vohizina izany hevitra izany. Na eo aza hoy izy ireo izay miezaka ny hanafina an’izany amin’ny filazàna fa mandeha tsara ny raharaham-pirenena, sy ireo minia mikipy tsy mijery ny fahantràna mihoampampana dia tsy afa-miteny mihitsy ny Malagasy noho izy efa very fanahy mbola velona.
Ao koa anefa izay tokony afaka manome hevitra fa miala andraikitra noho ny tahotra ary miala bala. Mifanilika adidy ny maro ary miaritra amin’ny hoe "aleo mihinan-kely toa izay mandry fotsy".
Manjàka ny hakanosàna. Latsaka ambany dia ambany ny satan’ny rafi-piraha-monina Malagasy rehetra ka toa zary mora rebirebena amin'ny rendrarendra ny olona. Tsy fanovàna toe-tsaina intsony no takian’ny zava-misy raha toa mbola hanarina firenena fa tena fahatsiarovan-tena mihitsy fa efa ambavahoana isika izao ankehitriny.
Mora noho izany ny milalao ny sain’ny Malagasy ary raha ity resaka fampihavanana ity hoy izy dia tsy tokony hifangaro ny mpampihavana sy ny mpitondra fanjakàna. (Manontany tena izy ny amin’ny tsy nisy nahatafita izay ezaka natao rehetra hatreto, sao dia lasa lamaody fotsiny?). izany no ambetin-dresaka izao hoy izy, toa zary lasa lamaody na fampisehoana fa mahara-baovao na marani-tsaina, eny fa toa fidirambola koa aza, saingy aminy manokana dia tsy fampihavanana no atao satria izany dia mitarika ny sasany hisora-tena ho mpampihavana na ny sasany ho hampiahavanina.
Ny ilain’ny firenena dia fifampihavanana, izany hoe samy manao ezaka hirosoana amin’ny fihavanana. Ary ny fihavanana dia tanjona fa tsy fepetra hanombohana ny fanasitranana ny firenena.
Nampitaha hatrany ny zava-nisy tany aloha sy ny ankehitriny izy, nanampiany ny fanazavàny ary nasehony ny fandringan’ny lalam-panorenana rehetra nanan-kery teto Madagasikara. Fahaleovantena tsy nisy fiandrianana hatrany hoy izy ary mbola toa izany ny ankehitriny. Lasa tompony managatak’atiny sisa hoy izy ny Malagasy ary manjàka ireo vahiny mpanam-bola satria izany no lasa mari-drefy manankery eo amin’ny firenena.
Ny fisamborana ny Filoha teo aloha hoy izy dia nahatonga an’i Marc Ravalomanana ho “mythe politique”. Toa an’i Jesosy niverina tsy nisy nahita ka nanao fahagagàna. Sahirana ny mpitondra ankehitriny satria tsy mahita intsony izay tokony ataony mba tsy ampitsanga-menatra azy eo imasom-bahoaka. Raharaha pôlitika io fa tsy misy idiran’ny lalàna.
Teo ampamaranana ny lahateniny izy dia nanao fampitaha sy nanao kisarisary ary nampisafidy ny rebik’omby sy ny diam-borona. Antsika no misafidy hoy izy ary raha tiana ny hiverenan’ny hasin’ny Malagasy dia mila mihiratra ny masony.
Nifarana tamin’ny famaliana fanontaniana ny fotoana ary noho ny maha mpanao pôlitika azy dia mazàna valin-teny mifono hafatra na mampieritreritra lalina no niantefa tany amin’ny mpihaino.
Loharanom-baovao: http://www.tim-madagascar.org/

Miarahaba, mba mila version feo feno raha misy sary voamaika tsara, misoatra.
RépondreSupprimerMarina dia marina. Ny tahotra No mitambesatra amin'ny Malagasy ka ts sahy mijoro handresy NY fandrebirebena sy ny laingalainga sans.
RépondreSupprimerTena marina sy mitombina mihitsy io hevitra voizin' i Pr RANJEVA Raymond io, ny andrasana izao dia ny AHITANA izay tena FOTOTR'ARETINA
RépondreSupprimersy izay HITSABO Azy ary ny FOMBA hitsaboany azy !
RAZAFINDRATSIMA Ndremahery