RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Marc Ravalomanana: "Takalon'aina politika"



    Valo amby roapolo (28) andro androany no nangalàna an-keriny sy nanagadràna ny Filoha Marc Ravalomanana.Tany amboalohany dia nihezaka nitondra fanazavàna ny fitondràna tarihan'Ingahy Hery Rajaonarimampianina fa ho fiarovana ny ainy no nanaovana ireny fihetsika izay niarahan'ny rehetra nahita fa feno herisetra sy manosihosy tanteraka ny zon'olombelona ireny.Nanambara mihitsy aza ireo mpitondra tamin'izany tamin'ny alalan'Ingahy praiminisitra Kolo Roger fa "Napetraka amin'ny toerana sahaza azy amin'ny maha Filoham-pirenena teo aloha azy ny Filoha Ravalomanana". Fihetsika sy fanambaràna izay voamarina tanteraka ankehitriny fa fanesoana sy fandatsàna ary fanaovana tsinontsinona ity Filoha teo aloha izay voafidin'ny vahoaka Malagasy in-droa nisesy teto amin'ny Firenena ity satria raha ny zava-misy dia voageja anaty efi-trano kely tokana ny Filoha Ravalomanana; efi-trano izay sady hety no tsy misy fitaovana hainoamanjery (Radio sy fahitalavitra) ahafahan'ity farany manara-baovao sy ny zava-misy mitranga ivelan'ny toerana hitazomana azy.Tsy vitan'izany fa tsy manana zo hitazona finday ny Filoha Ravalomanana, ary na ny penina ahafahany manoratra aza dia voarara ihany koa.Raha atao mahitsy ny resaka dia ny zo fototra mahaolona mihitsy no hosihosena sy ataon'ny fitondràna Rajaonarimampianina tsinontsinona ankehitriny: Fanapotehana ara-tsaina sy ara-pahasalamana ny Filoha Ravalomanana no tena tanjon'ireo managadra sy manao takalon'aina politika azy ankehitriny.


    Tsara ny manantitrantitra mba ahafahan'ny rehetra mahafantatra ny zava-misy marina fa fanapotehana sy famonoana tanteraka ny Filoha Ravalomanana no manjaka teto nandritra ny enin-taona izay.

    Ny taona 2009 no nanomboka izany politika mamohehitra sy mamoha-fady izany tamin'ny alalan'ny fanonganam-panjakàna nataon-dRajoelina.

    Rehefa hitan'ireo mpanongam-panjakàna sy fahavalom-pirenena fa mamim-bahoaka loatra sady nitondra fampandrosoana mivaingana sy azo tsapain-tanana teto amin'ny Firenena ny Filoha Ravalomanana ary ho sarotra dia sarotra ny handresy azy amin'ny fifidianana dia niroso tamin'ny teti-dratsy feno habibiana izy ireo. Tanjona sy baiko nidina tamin'izany ny fanapotehana sy famonoana an-dRavalomanana "ara-politika sy ara-ekonomika"; ary indrisy fa tao anatin'ny andro vitsy monja dia tanterak'ireo fahavalom-pirenena izany.

    Potika tanteraka ny orinasa Tiko izay namelona sy nanome asa ny fianakaviana Malagasy analiny maro ary nitondra avo ny hasin'ny vokatra "Vita Malagasy" teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena izay tsy mena-mitaha tamin'ireo vokatra vita vahiny manara-penitra maro.

    Marihina fa ny orinasa Tiko dia efa telopolo taona mahery no namoronan'ny Filoha Ravalomanana sy ny fianakaviany azy ary tsy nitsahatra nivoatra sy niroborobo izany orinasa izany vokatry ny fahaiza-mitatana sy ny hakingan'ireo mpitantana azy.

    Tetsy andanin'izany dia voahongan'ireo fahavalom-pirenena niaraka tamin'ireo andiana miaramila mpikomy (CAPSAT) teo amin'ny fitondràna ny Filoha Marc Ravalomanana. Niongana sy voafatotra nanomboka teo ihany koa ny fahafahana sy ny zo aman-tsafidin'ny vahoaka Malagasy anetsiny maro izay nametraka in-droa niantoana ny Filoha Ravalomanana teo amin'ny fitondràna.

    Nanomboka ny taona 2009 dia tsy nijanona ny fanapotehana sy fanaovana tsindry hazo-lena ny Filoha Ravalomanana na teto an-tanindrazana izany na teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, ary tsy afa-bela tamin'izany fampahoriana izany koa fianakaviany izay indrisy fa dia mbola mitohy madraka ankehitriny.

    Takalon'aina politika


    Rehefa niharan'ny sesi-tany nandritra ny enin-taona ny Filoha Ravalomanana, ary tsy nitsahatra nandefitra sy niharan'ny fitaka maro isan-karazany nandritra izany taona maro izany dia nitady ny fomba rehetra ny tenany mba hahafahany mody eto an-tanindrazana.

    Nandritra ny fotoana maro izy no tsy nitsahatra nampilaza ny vahoaka sy ny fitondrà-panjakàna fa ho avy. Nandalo teo ny NOTAM, nandalo teo ny familiana teny ampanidinana ny fiaramanidina nitondra azy, nandalo teo ny fitazomana ny "passeport-ny" sy ny sakatsankana tsy tambo isaina fa tamin'ity indray mitoraka ity dia tonga soa aman-tsara izy.

    Marc Ravalomanana: "Hitondra ny anjara birikako amin'ny fampandrosoana ny Firenena aho. (...) Tonga hitondra fandriampahalemana aho."

    Nanomboka teo anefa dia nihazakazaka tanteraka ny toe-draharaham-pirenena satria dia nanova tampoka ny teti-panoron'ny mpitondra ny fahatongavan'ny Filoha Ravalomanana.

    Ny zava-misy ankehitriny dia mampibaribary fa tsy nanana heritreritra velively ny hampody malalaka ny Filoha Marc Ravalomanana eto an-tanindrazana izao fitondràna izao. Ny vendrana sy mora ambakaina ary ireo tsy mahay misintona lesona tamin'ny lainga sy fisolokiana ary fampandriana adrisa niseho teto amin'ny Firenena nandritra ny tetezamitatra ihany no mbola manaiky ampatoriana sy lembenana lava ary manao teli-moka ny fanambaràna etsy sy eroa ataon'ny sasany fa vonona hiroso amin'ny fampihavanam-pirenena ry zareo.

    Aleo hazava tanteraka ny resaka, ary eto dia misintona ny sain'ny tsirairay mba tsy hatoritory manan'aretina satria dia "Migadra" ara-bekiteny ny Filoha Marc Ravalomanana, ary tsy vitan'ny migadra izy fa ataon'ny fitondràna ankehitriny "takalon'aina politika" ihany koa indrindra indrindra.

    Fampihorohoroana ara-tsaina sy ara-psikolojika andro aman'alina no mihantra amin'ny Filoha Marc Ravalomanana nandritra izay iray volana latsaka nanagadràna azy izay.

    Aleo hazava amin'ny rehetra fa tsy kely lalana ny ratsy. Karohan'ny fitondràna ny fomba rehetra ankehitriny hanerena mafy ny Filoha Ravalomanana hiaiky heloka maro izay tsy nataony akory.

    Dradradradrain'ireo mpitari-bato vilam-bava andro aman'alina fa tany tan-dalàna i Madagasikara. Ny zava-misy anefa dia tsy misy manara-dalàna na dia iray monja aza na ny fepetra na ny toerana hanagadràna an-dRavalomanana ankehitriny.

    Ry vahoaka!, ry mpiaro ny fahamarinana!, ry saro-piaro amin'ny fiarovana ny marina!, ry tia Tanindrazana rehetra! Aoka tsy ho sodokan'ny teny fampatoriana sy fampatoniana izay vohizina mafy ankehitriny isika.

    Mandady ny trambo ary sedra mafy ara-batana sy ara-tsaina ary ara-pahasalamàna no mahazo ny Filoha Marc Ravalomanana any ampigadràna any ankehitriny. Fampihorohoroana ara-psikolojika sy ara-tsaina no iainany amin'izao fanaovana takalon'aina azy izao.

    Tsara ny manamarika sy manaitra ny sain'ny besinimaro fa misy dia misy ny tetika maizina eo anivon'ny fitsaràna (izay efa lasa fitaovana politika manokan'ny fitondràna ankehitriny) amin'izao fotoana izao mba hamoronana haingana "dossiers" handotoana sy handetehana bebe kokoa hatrany ny Filoha Ravalomanana. Izany dia santionany fotsiny amin'ireo teti-dratsy maro hafa hanapotehana tanteraka ny Filoha Marc Ravalomanana sy hanimbàna ny endriny eo anatrehan'ny Malagasy sy ny Firenena.

    Raha ny vaovao farany ihany koa dia nilatsaka indray ny baiko mandrara ny fisokafan'ny orinasa Tiko.Etsy andanin'izany anefa dia mihazakazaka mafy ny fitondràna manampy sy manome tanana amin'ny fanokafana sy fampiroboroboana ireo orinasa vahiny maro.

    Ankoatr'izany dia tsy mbola atoato ny vahoaka no haheno sy hahita ny "MBS" hiverina eo amin'ny sehatry ny serasera sy ny filazam-baovao indray satria dia mbola mihantona tanteraka ankehitriny ireo antotan-taratasy sy fazahoan-dalana rehetra ho an'ity hainoamanjery ity na dia teo aza ny fangatahan'ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny mba hahafahany misokatra indray.

    Efa nopotehina ara-ekonomika ny Filoha Ravalomanana, efa niharan'ny fanapotehana ara-politika nandritra ny taona maro ny tenany, ary ankehitriny dia eo ampanaovana ny asa ratsiny amin'ny alalan'ny fanapotehana azy ara-batana sy ara-tsaina ary ara-pahasalamana ireo izay managadra sy manao takalon'aina azy.

    Ry Malagasy! Marina fa na dia nopotehina tamin'ny lafiny rehetra aza ny Filoha Ravalomanana dia tsy mampiova velively ny fitiavantsika azy izany. Vao maika mitombo aza ny herim-pontsika amin'ny fanohanana azy. Saingy misy fetrany ny zava-drehetra. Olom-belona ihany ny Filoha Ravalomanana ka mba mety reraka ihany koa ny tenany manoloana ireo tsindry hazo-lena sesehena tsy mihato mahazo azy nandritra ny taona maro izay indrisy fa mbola mitohy mandraka ankehitriny.

    Ry Malagasy! Aoka isika manomboka izao hijoro ho tompon'andraikitra eto amin'ity Firenentsika ity satria ahy, anao, antsika rehetra i Madagasikara.

    Mila ahy!, Mila anao!, Mila antsika rehetra ny Filoha Marc Ravalomanana! Tsy avelantsika hiady irery izy manoloana ny sedra goavana sy ny tsindry hazo-lena tsy manam-paharoa mahazo azy.



    Madagasikara Malalako

    5 commentaires:

    1. Raha izao ny zavatra mahazo an-dRavalo dia mba liana izahay hoe inona no sazy mendrika an-drajoelina izay fototra nisian'izao rehetra izao? aza adinontsika fa i rajoelina no fototra voalohany @'zao fahapotehan'ny firenena izao ary i Rajaonarimampianina dia tanan'ankavanan-drajoelina nandritra ny trasition.

      RépondreSupprimer
    2. Ny mivavaka mafy sy manaraka akaiky ary tsy tapaka ity raharaha Ravalomanana ity dia efa fanampiana sy fanohanana lehibe ho azy e.Marina mihitsy ilay teny hoe aza misy matoritory isika vahoaka fa tsy kely lalana ny ratsy. Tsy hipetra-potsiny ny frantsay ary na tiantsika na tsy tiantsika dia ny frantsay no ambadik'izao famonoana tsikelikely an-dRavalomanana izao.Tsy resaka fanendrikendrehana fa lôjika h@ taona 2009 io raha nanaraka tsara ny raharaham-pirenena teto isika.Samia mivavaka ho an-dRavalomanana fa eo ampela-tanan'ny fahavalony toy ny nofon-kena an-tanan-tsaka izy izao.Maro ny marina sy zava-miafina atahoran'ny sasany hipoitra atoato ary ny mbola fanohanan'ny vahoaka an-dRavalomanana dia tena hery lehibe ho azy ka mahatonga ny fitondran-dRajaonarimampianina may volo-tratra sy manaonao foana toy izao.Ny marina tsy mba maty e, na izany aza aza mitsahatra mivavaka. Raha sanatria maninona maninona Ravalomanana dia tompon'andraikitra voalohany i Rajaonarimampianina sy Rajoelina ary ny frantsay.

      RépondreSupprimer
      Réponses
      1. Tena tsy ampy tsony ny mivavaka ray aman-dreny a!mila hetsika maika de maika avy @ vahoaka fa raha tsy zany dia hanahy ny hadalany sy habibiny foana ry rajao mianakavy sady efa mananontanona ao ambadika ao koa i ry Rajoelina sy ny forongony.Tsara ny mivavaka fa mila arahina asa ilay izy.

        Supprimer
    3. Efa tena mampiteny ny moana mitsy zao zavatra mitranga eto amin'ny firenena izao. Mampalahelo ny Malagasy! Indrisy anefa fa tsy mba misy sahy mijoro maneho ny tsy fahafaliam-pony eny an-dalambe intsony satria na ny hery entina amin'izany aza efa ambivotra noho ny fahantrana efa ampiajadiana antsika. Ny mpitondra zay miseho azy ho kristianina sy manam-pahaizana toa tena tsy manam-panahy fa tena voabaikon'ny vola ve sa voabaikon'olom-bitsy mahazo tombon-tsoa avy any ivelany. Aiza ve ka vahiny iray miseho azy nampazahoana zom-pirenena Malagasy no tena manitsakitsaka an-tampon-doha ny Malagasy 20 tapitrisa ka manambany tanteraka ny Malagasy. Andriamanitra tsy andrin'ny hafa andritsika ihany fa tsy eto an-tany ko ange no hahitana ny valiny fa ao Andriamanitra hitsara e!

      RépondreSupprimer
    4. Izahay efa niteny in-jato kely fa nanolotra ny ainy mihitay ny Filoha Ravalomanana niverina, ka dia ho jere potsiny ve izany? Fantatra fa ny sakafony dia ry zareo any ihany no manome azy ka dia ho gaga ve isika raha sanatria maninona maninona eo ny Filohantsika?

      Averinay indray: manan-kery marina anie ny vahoaka raha mitambatra e! Jerero daholo any ivelany fa ny mponina miray hina dia afaka manova zavatra maro, fa raha miandry eo fotsiny kosa dia mbola ho
      mafy lavitra ny ahahazo!

      RépondreSupprimer