Niezaka nanapotika an’i Marc Ravalomanana tamin’ny fomba rehetra ny fitondrana tetezamita fa tsy nahavita. Maro ny tetika natao mba hankahalan’ny Malagasy azy fa tsy nandaitra. Noharatsiana manerana izao tontolo izao izy fa hoe mpamono olona saingy tsy nahomby. Voatazony ny teny nomeny ary dia tafaverina soa aman-tsara eto Madagasikara tao anatin’ny filaminana izy. Nampiseho ny fahavononany hiasa ho amin’ny fanavotana ny firenena izy ka ny fahantrana irery ihany no fahavalo.
Nanaporofo fa mahavita azy
Mila fiaraha-miasa ny fampandrosoana ny firenena ary hampanginina ny hambom-pon’ny tsirairay ho an’ny tombontsoa ambonin’ny firenena. Politika anefa no resahana ka misy ny zavatra hafa tsy maintsy dinihana satria tsy misy ny kisendrasendra amin’ny raharaha politika. Filoham-pirenena tena niavaka i Marc Ravalomanana,samy nanaiky izany na ny teto an-toerana na ny tany ivelany ary na ny mpitondra Afrikanina sasany aza dia maro no nidera azy sy niantso azy mba hanampy azy ireo amin’ny fomba hitantanana ny firenena sy hanoherana ny fanjanahantany amin’ny endriny vaovao. Tsy iadian-kevitra intsony fa manana ny maha izy azy teo amin’ny tontolon’ny fandraharahana teto Madagasikara ingahy Ravalomanana ary porofo mivaingana ny orinasa Tiko. Nisongadina ny asa vitany teto an-drenivohitra fony izy ben’ny tanàna, ary betsaka lavitra noho izany indray no vita rehefa lasa filohan’ny repoblika izy ka nandrafetany ny MAP, izay hany fandaharan’asana filoham-pirenena efa nahazo famatsiam-bola hatramin’ny 3 miliara dolara.
Matanjaka amin’ny lafiny rehetra
Havanana amin’ny resaka serasera sy ny fifandraisana i Marc Ravalomanana. Tsy mba matahotahotra vahiny fa afaka mifampikatro-doha tsara amin’ireo mpiara-miasa sy mpamatsy vola ary tena saropiaro amin’ny tombontsoan’i Madagasikara tokoa fa tsy manaiky be fahatany izay tenin’ny vazaha. Mbola mafy orina hatramin’izao ny fototra ara-politikan’ity filoha teo aloha ity eto Madagasikara.
Manana ireo vahoaka mpanara-dia azy izy, manana mpiara-miasa mahay sady mahavita, mahafantatra tsara an’i Madagasikara. Ankoatra izay dia matanjaka amin’ny fifandraisana amin’ny any ivelany ingahy Ravalomanana ary goavana ny mpanohana azy dia ireo firenena miteny anglisy sy tavaratra any Eoropa, singanina amin’ireny i Etazonia, Alemaina ary Norvezy, tsara fifandraisana amin’ny Aostralia sy Afrika atsimo koa izy. Ireo rehetra ireo nitambatra no nahafahany niverina teto Madagasikara sy miverina tsimoramora amin’ny sehatra politika, ary azo ambara fa izy mihitsy no singa fototra nampihazakazaka ny fampihavanam-pirenena atrehana amin’izao fotoana.
Efa hatramin’ny 2011 no noresahana izy io saingy tonga i Dada vao tena nanomboka marina. Raha mbola i Madagasikara no resahana dia tsy maintsy misy Ravalomanana izay, indrindra fa ny fandaminana sy ny fanarenana ny firenena. Izay aloha ny zava-misy izao ary tena hadalana ny minia tsy mahafantatra izany…Maro no efa mahatsinjo fa tsy maintsy hiverina amin’ny sehatra politika i Marc Ravalomanana, amin’ny fotoana mahamety izany satria tena mbola mila azy i Madagasikara.
http://tiatanindrazana.com/

.jpg)
Mila anao ny vahoaka Dada a!Mila anao ny Tanindrazantsika!
RépondreSupprimer