
Lava sy mafy ny tolom-panafahana sy fitakiana ny ara-dalàna ataon’ny vahoaka miaraka amin’ny Filoha Marc Ravalomanana satria dia efa ho telo taona tokoa izay no nisian’ny fanonganam-panjakàna tamin’ny fomba feno habibiana sy haratsiana nataon’ireo fahavalom-pirenena sy fahavalon’ny fandrosoana tohanan’ny reny malalany teto amin’ny Firenena.
Telo taona aty aoriana, raha noheritreretin’ireo mpanongam-panjakàna fa hangina sy hilavo lefona ny Filoha Ravalomanana sy ny mpanara-dia azy dia tsy izany velively no miseho fa vao maika aza mampirehitra ny afom-pitiavan-tanindrazana tao anatin’ny Malagasy tsirairay (indrindra ireo izay mahatsiaro tena ho saro-piaro sy tompon’andraikitra amin’ny fitiavana ity Nosin-drazana ity) ny fanjanahana sy ny fanohanan’ilay firenen-dehibe iray mpanjanaka ny didy jadona sy ny hadalàna ataon’ny mpanongam-panjakàna ankehitriny.
Telo taona aty aorian’ny fampihorohoroana sy ny fanampenam-bava amin’ny fomba rehetra (Hery famoretana,fanakatonana ireo haino aman-jery,sns…) mahazo ny tolona,dia indreo fa mbola tsy kivy na milavo-lefona ny vahoaka fa vonona hitolona sy hiady hatrany, ary indrindra io fa mbola mijoro hatrany ny Filoha Ravalomanana na dia eo aza ny fanapotehana maro sesehena mihantra aminy.
Ny firaisan-kina arahim-pinoana tokoa no hery. Ny vahoaka tokinao Andriamatoa Filoha, ianao tokin’ny vahoaka; ary izay fehezan-teny tsotra nefa mafonja izay ihany koa no entina hiarahabàna anao « DADA »noho izao nahatraranao ny tsingerin-taona nahaterahanao izao. o ela velona sy ho tratr’izay ela indrindra anie ary hotahian’Andriamanitra tompon’ny hery sy ny fahasoavana rehetra ianao, indrindra manoloana ny adidy masina izay hiantsorohanao eo anatrehan’ny kihon-dàlana mampalahelo izay lalovan’ny Firenetsika ankehitriny. Mirary fety sambatra « DADA ».
Madagasikara Malalako
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire