RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Fiaraha-miasa ara-miaramila"Frantsay sy Malagasy"-Inona no mahamaika?

    miaramila-frantsay-madagasikaraTonga omaly eto Madagasikara ireo miaramila frantsay mpampihofana 42 lahy hizara ny trai-kefany sy hanome fampianarana ny miaramila Malagasy.Voalaza fa tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasa ara-miaramila”Frantsay sy Malagasy”( Coopération militaire France - Madagascar) izao hetsika izao taorian’ny nandraisan’ny Filoha frantsay Nicolas Sarkozy an’Atoa Andry Nirina Rajoelina tany Parisy volana vitsy lasa izay.Hahazo fihofanana amin’izany ny toby miaramila 1°RFI Ivato, 2°RFI Antsiranana, 1°RTS Fiadanana, CAPSAT ao Soanierana ary ny EMGAM Andohalo.
    Talohan’izao dia efa nandalo teto koa ny manam-boninahitra ambonin’ny polisy frantsay iray nanome fihofanana ireo polisy Malagasy.
    Tsara tokoa ny fifanomezan-tànana sy fifampizaràna trai-kefa saingy mipetraka ihany ny fanontaniana manao hoe :Ao anatin’izao tetezamita mandeha ila izao ve no tena fotoana mety hisian’izao hetsika izao ?Ny fiaraha-miasa ara-miaramila ve no lahara-pahamehana amin’izao tetezamita izao ?Ary inona no tena mampihazakazaka mafy ny firenena frantsay hanamafy sy hanome fihofanana haingana ny Miaramila Malagasy ?
    Mipetraka ireo fanontaniana ireo satria mbola tsy maina akory ny ravina nihinanana ary tsy nisy tsy nahalala izao tontolo izao fa fanonganam-panjakàna ara-miaramila tsotra izao no nisy teto Madagasikara tamin’ny taona 2009.

    AMM

    1 commentaire:

    1. Fomba fiadin'ny Frantsay io, efa mahatsapa izy ireo fa manomboka mihodina ny rivotra pôlitika eto Madagasikara ka matahotra ny ho very finanana ry menasofina zatra mpanjanaka dia manao zao fomba rehetra izao mba hiarovany ny tombontsoany eto. Hita foana teto ny diatanan'ny frantsay nandritra ny fotoana sarotra rehetra nolalovan'ny Madagasikara : 1991 nihezaka nitazona anRatsiraka teo @ fitondrana, namerina azy ny 1996. 2001 - 2002 nanao zay tsy iakaran'i Marc Ravalomanana teo @ fitondrana. 2009 tao amabadiky ny korontana rehetra : nanomana izany tamin'ny famatsiambola an'i Andry Rajoelina : fividianana ny Radio Ravinala ho lasa VIVA, campagne communiale Antananarivo, namatsy vola ny pilleurs lundi noir (nisy orinasa frantsay na mpandraharaha voakitika ve??), mpamatsy vola voalohany ny tetezamita. Valiny fanakanana ny NBM tsy hisokatra nandritra ny taona vitsivitsy. Nisy foana ireo instructeurs frantsay tao andamosin'ny fandaravana ny hetsiky ny mpanoahana an'i Ravalomanana, sy ny fanenjehana ireo akaiky azy. Izao fandefasa miramila mody hanofana ny miaramila malagasy. Tanjona : hanamafy ny toeran'ny mpanongampanjakana.
      Tonga ny fotoana hifohazanao ry Nosy: miantso manokana ny tanora fa very maina foana ny ra nalatsiky ny razantsika :menalamba, Sadiavahy, VVS, 29 mars 1947, 13 mai 1972, Kung Fu, 2002, raha mitohy izao endrimpanjanahana izao.

      RépondreSupprimer