RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Mifohaza ry Malagasy !Arovy ny safidinao


    malagasy-mitolona-2009.jpg


    Raha tsy mitandrina sy tsy mailo ny Malagasy dia ho voasoloky sy ho voahosihosy zo toy izay nitranga nandritra ny fanonganam-panjakàna ny taona 2009 indray.Izay no azo ambara manoloana ny fifidianana mifono fitaka sy fandrika miandry azy ireo afaka volana vitsivitsy.

    Raha ny zava-misy nandritra izay efa-taona niainan’i Madagasikara tao anatin’ny krizy izay tokoa mantsy no jerena dia toa izay sitra-po sy haitraitran’ny mpanongam-panjakàna hatrany no nisy sy tanteraka teto (na dia teo aza ny  sarintsarin-tsazy izay narangarangan’ny vondrona iraisam-pirenena sy ireo firenen-dehibe maro milaza fa hanampy an’i Madagasikara):

    -Nanomboka tamin’ny fandavan-dRajoelina ny Sonia nataony tany Maputo izany izay anisan’ny vato misakana sy fototra lehibe tsy mampivaha ny krizy ankehitriny.

    -Tao koa ny fanakatonana ireo hainoamanjery ampolony maro (maherin’ny 80 isa) manerana an’i Madagasikara.Hany ka izay feon-dakolosy tian’ny mpitondra tetezamita sy ny lehibeny ihany sisa no ren’ny Malagasy indrindra ireo izay any amin’ny faritra.

    -Ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena ary voalohany amin’izany ny andramena (Bois de rose) izay nihazakazahan’ny mpanongam-panjakàna ary naha mpanefoefo sy naha mpanakarena tampoka ireo olom-bitsy ao anatin’ny tetezamita ankehitriny.Ankoatra ny andramena anefa dia toy ny vorona azon’adala ihany koa ny fanondranana antsokosoko sy tsy ara-dalàna ny volamena izay mahatratra an-jatony kilao maro isam-bolana no mivoaka an’i Madagasikara.Tsy tanisaina intsony ireo karazam-biby sarobidy sy tsy fahita hafa tsy eto Madagasikara izay eo andalam-paharinganana tanteraka.

    Fehiny dia halatra be vava sy fandrobàna tsotra izao no ataon’ireo milaza azy fa mpitondra eto Madagasikara ankehitriny ka mahatonga ny Malagasy ho tompo-trano mihono sy tompony mangatak’atiny eto amin’ny Tanindrazany sisa.Ireo Mafia sy ireo vahiny mpanararao-paty ny fanjakàn’Ibaroa misy no mahazo tombony goavana sy mihoa-papana.

    -Ny farany fa tsy ny kely indrindra dia ny fanakanan’ny mpanongam-panjakàna amin’ny heriny rehetra mba tsy hahatanteraka ireo teboka telo anisan’ny lehibe indrindra takian’ny tondro zotra mialohan’ny fifidianana:

    • -Ny fiverenan’ny Filoha Ravalomanana Marc eto antanindrazana (Manampy trotraka izany ny fitsabatsabahana lalina sy ny mizàna tsindrian'ila ataon'ny masoivoho frantsay sy ny politika maloton'i françafrique)
    • -Ny fisokafan’ny hainoamanjery rehetra nakaton’ny mpitondra FAT
    • -Ny fivoahan’ireo gadra politika rehetra


    Inona amin'ireo fepetra takiana ireo no efa tanteraka eto Madagasikara ankehitriny? Manginy fotsiny ny tsy fandriam-pahalemana goavana mahazo ny vahoaka izay tsy mitsahatra mihamafy tato ato (fifanandrifian-javatra ve?).Aiza ho aiza ny fimpihavanana sy fitoniana ?

    Raha ny fihazakazaky ny toe-draharaha ankehitriny ary no jerena dia mazava fa fifidianana tia kano tsy tia kano no miandry ny Malagasy.Fifidianana ankahamehana mifono fitaka sy soloky izay hitarika an’i Madagasikara hivarina any amin’ny fahapotehana sy filentehana bebe kokoa hatrany.

    Fifidianana feno fihatsaram-bela-tsihy satria na dia efa hita izao aza fa tsy mizotra amin’ny tokony ho izy ny fanomanana izany dia teren-ko masaka toy ny voalobo-jaza hatrany ilay izy.Ary voalohany manakipy ny masony manoloana ny tsy rariny sy ny tsy fanarahan-dalàna misy ankehitriny ny firenena frantsay izay soloin’ny masoivohony tena eto Madagasikara.

    Fifidianana mitanila tanteraka satria ny mpanongam-panjakàna ihany no sady mpitsara no mpilalao ihany koa eny ambony kianja.Ny olon-dRajoelina avokoa no tompon’ny sehatra rehetra amin’ny fikarakaràna izany fifidianana izany.

    Amin’ny fomba ahoana no hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra ao anatin’ny fitoniana sy fihavanana raha toa ka ny Filoham-pirenena voafidim-bahoaka farany (in-droa nisesy)teto amin’ny Firenena aza tsy avela mody eto an-tanindrazany ?

    Amin’ny fomba ahoana no hisian’ny fifidianana madio sy tsy mitanila raha mbola gejain’ny mpitondra ankehitriny ireo hainoamanjery maro tsy mitovy fomba fijery aminy?

    Manoloana izany indrindra dia nitondra fanazavàna tamin’ny alalan’ny antso antarobia mikasika ny toerana misy ny ankolafy Ravalomanana eo anatrehan’ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny ny Filoha Ravalomanana omaly maraina tetsy bel’Air nandritra ny fivorian’ireo mpitarika ao amin’ny ankolafy.

    Tsy handray anjara amin’ny fifidianana na filoham-pirenena na solombavambahoaka isika raha tsy tonga any Madagasikara aho.” Hoy ny filoha Ravalomanana tamin’ny teny hentitra.Nomarihiny sy notsipihany tamin’izany fa tsy feno ny fepetra hanatanterahana ny fifidianana ary tsy tanteraka ny ampahany maro amin’ny fanatanterahana ny tondro zotra.Araho eto ny vaovao.

    Nantitraterin’ny Filoha Ravalomanana tamin’izany koa fa tsy misy kandidà avy amin’ny anaran’ny ankolafy Ravalomanana raha tsy efa tonga eto Madagasikara ny tenany.

    Ny zavatra azo antoka dia tsy misy hafa tsy ny fifidianana madio sy mangarahara tsy mitanila ary eken’ny rehetra no hahafahan’i Madagasikara mivoaka amin’izao krizy manara-penitra izao.

    Zava-dehibe sy maika indrindra anefa dia ny fifohazan’ny Malagasy tsirairay mba tsy hatoritory manan'aretina intsony fa mba hijoro ho tompon’andraikitra amin’izay eto amin’ny Firenena fa indrindra ho saro-piaro amin’ny fampiharana sy fanajàna ny zony amin’ny alalan’ny safidiny na ny fifidianana.


    D.R.

    1 commentaire:

    1. Hafa ihany ny Filoha Ravalomanana e!Lozan'ireo mpanongam-panjakàna nahavanin-doza ka nampilentika ny Firenena ohatr'izao.

      RépondreSupprimer