RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Iza no matahotra ny kandidà Lalao Ravalomanana? Iza no matahotra ny safidin'ny Malagasy?


    neny_ravalomanana_fifidianana12.jpg

    Vohizina mafy dia mafy ankehitriny ny fanerena ny kandidà Lalao Ravalomanana sy ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka ary Ingahy Andry Rajoelina mba hanala ny filatsahan-kofidian'izy ireo ho filoham-pirenena.

    Tao anatin’ny andro vitsivitsy izao dia tsy mitsahatra ny tsindry sy faneren’ireo vondrona iraisam-pirenena mba hampiala an-daharana ireo kandidà telo ireo satria mety hiteraka korontana hono ny fandraisan’izy ireo anjara amin’ny fifidianana filoham-pirenena eto Madagasikara sady tsy manaja ny « Tondro zotra ».

    Eo anatrehan’izany dia mipetraka ihany ny fanontaniana sy fanamarihana vitsivitsy :

    -Ny Vahoaka Malagasy ve no hifidy izay filoham-pirenena hitondra azy sa ny vondrona iraisam-pirenena sy ireo firenen-dehibe vahiny?

    Hatreto mantsy aloha dia izay sitra-po sy haitraitran’ny mpanongam-panjakàna sy ilay firenen-dehibe vahiny mpanohana azy ihany no tanteraka.Ny kary ny nanao ny nataony dia ny saka no voatapa-drambo.Ny mpanongam-panjakàna no nanota-fady sy matahotra safidim-bahoaka dia ny Filoham-pirenena ara-dalàna nahongany koa no tsy mahazo mirotsaka hofidiana miaraka aminy.Tsara ny mampatsiahy ary aoka tsy hadino fa ny mpanongam-panjakàna sy ny reny malalany no tompo-mariky ny “Ni…ni” izay midika hoe sady tsy mahazo milatsaka hofidiana filoham-pirenena i Rajoelina no tsy mahazo mirotsaka ihany koa ny Filoha Marc Ravalomanana.

    Iza no nahazo tombotsoa amin’ny “Ni…ni”? Iaraha-mahalala tsara mantsy ny mbola fitiavan’ny vahoaka Malagasy ny Filoha Ravalomanana na dia teo aza ny fanapotehana sy fanaratsiana tsy misy farany nahazo azy.

    Etsy andanin’izany na tsy noforonina aza ny « Ni…ni » mba mody hanakanana an-dRajoelina tsy hilatsaka ho filoha dia mazava tsara ny voalazan’ny lalàna raha tsy hitanisa fotsiny hafa tsy ny lalàna iraisam-pirenena isika «accord de Cotonou » fa voasazy ary voarara tanteraka tsy mahazo mirotsaka hofidiana intsony ny mpanongam-panjakàna.

    -Nandritra ny efa-taona dia tsy nitsahatra nanosihosy sy nandika ny « Tondro zotra » sy ny lalàna ny mpanongam-panjakàna. Taiza ho aiza ny fepetra sy fandraisan’andraikitry ny vondrona iraisam-pirenena teo anatrehan’izany no izao Ramatoa Lalao Ravalomanana mirotsaka hofidiana izao vao mody taitra sy mikoropaka daholo ?

    Voalaza fa mety hiteraka korontana hono ny filatsahan-dRtoa Lalao Ravalomanana hofidiana.Fanadihadiana sy porofo avy aiza no hahafahan’ny vondrona iraisam-pirenena sy ireo rehetra mivoy io hevitra io manamarina izany ?

    Raha ny hita sy mibaribary mantsy ankehitriny dia vahoaka falifaly sy velom-panantenana avokoa no mameno ny lalana sy toerana rehetra izay tsidihan-dRtoa Lalao Ravalomanana.

    Ankoatr’izany dia vohizina ihany koa fa mandika izay voalazan’ny « Tondro zotra » hono ny filatsahan-kofidian’ireo kandidà telo voatanisa etsy ambony.Andininy aiza ho aiza ao anaty « Tondro zotra » moa no milaza fa tsy mahazo mirotsaka hofidiana Filoham-pirenena Ramatoa Lalao Ravalomanana ?

    Rehefa dokafana lava ny apondra dia lasa mihevi-tena ho toy ny soavaly hoy ilay oha-pitenenana mananihany iray izay.Toy izany tsy misy hafa ny zava-misy eto Madagasikara ankehitriny.Nomena fahefàna be loatra sy navela nanao izay danin’ny kibony tanteraka ny mpanongam-panjakàna nandritra ny efa-taona hany ka lasa mihevi-tena ho toy ny Filoham-pirenena ara-dalàna sy mpanjaka mihitsy ny tenany ankehitriny.

    Tsy ny safidy sy zon’ny ny vahoaka Malagasy intsony no manjaka fa lasa ny haitraitra sy sitrapon’ny mpanongam-panjakàna hatrany.Ary na dia eo aza ny fahantràna manara-penitra sy ny takalon’aina ara-politika mahazo ny Malagasy maherin’ny roapolo tapitrisa dia aleo tsorina ny resaka fa toa izay zavatra mahafinaritra sy mifanaraka amin’ny tombotson’ny mpanongam-panjakàna hatrany no tanteraka sy avoakan’ny vondrona iraisam-pirenena.

    Iza no nahazo tombotsoa tamin’ny « Ni…ni » ?, Iza no nahazo tombotsoa nandritra izay tetezamitatra efa-taona izay ?Ankehitriny iza indray koa no hahazo tombotsoa raha sanatria ka tanteraka soa aman-tsara ny teti-dratsy hanalàna ny filatsahan-kofidian-dRamatoa Lalao Ravalomanana ?

    Eo am-pamaliana ireo fanontaniana vitsivitsy ireo dia tsara ihany ny mampatsiahy fa taorian’ny fanonganam-panjakàna nisy teto amin’ny Firenena dia nisy ny sazy iraisam-pirenena nivoaka manameloka sy manasazy ireo mpandray anjara tamin’izany.

    Aiza ho aiza ny fandraisan’andraikitry ny vondrona iraisam-pirenena manoloana izany sazy izany ? Ary araka ity lisitra ity dia tsy i Rajoelina irery ihany no voasazy sy tsy tokony hirotsaka hofidiana filoham-pirenena fa maro.Ary dia mbola miverina ihany koa ny fanontaniana hoe: Lalàna avy aiza?, Lisitra aiza ?, Tondro zotra aiza no mandrara an-dRamatoa Lalao Ravalomanana tsy hirotsaka Filoham-pirenena ?

    Ireo anaran’ireo olona 109 mpanongam-panjakàna iharan’ny sazy iraisam-pirenena :

    I- Présidence de la République

    1- M. Andry Nirina Rajoelina, Président de la Haute Autorité de la Transition
    2- M. Norbert Lala Ratsirahonana
    3- M. Zaza Ramandimbiarison, Directeur de cabinet de la présidence de la HAT
    4- M. André Haja Resampa, Secrétaire Général de la présidence
    5- Mme Annick Andriamampianina, Directeur des Relations publiques et porte-parole de la présidence de la transition
    6- Mme Lantosoa Razafimahaleo, Conseiller spécial
    7- Mme Hantanirina Ramakavelo, Conseiller spécial
    8- M. Harry Rolly Mercia Rahajason, Conseiller spécial
    9- Lt. Col. Fidimalala Rafaliarison Rafaliarison, Aide de camp
    10- Colonel Claude Razafimahatratra, Directeur de la Sécurité Présidentielle

    II- Membres du gouvernement de la HAT

    1- Colonel VITAL Albert Camille, Premier Ministre
    2- Manorohanta Cécile, Vice Premier Ministre chargé de l’intérieur
    3- Vice-amiral Hyppolite Ramaroson, Vice-premier ministre chargé des affaires étrangères
    4- Alain Bernard Teandrazanarivelo, Vice-premier ministre chargé de la santé
    5- Colonel Noel Rakotonandrasana, Ministre des Forces Armées
    6- Jean Claude Rakotonirina, Ministre du commerce
    7- Nadine Ramaroson, Ministre de la population et des affaires sociales
    8- Augustin Razafinarivo Andriamananoro, Ministre des Télécommunications, des potes et des nouvelles technologies
    9- Gilbert Harisoa Raharizatovo, Ministre de la Culture et des Patrimoines
    10- Rolland Ranjatoelina, Ministre des transports
    11- Jean Rodolphe Ramanantsoa, Ministre de l’énergie
    12- Noelson William, Ministre de la Fonction Publique, du travail et des Lois sociales
    13- Athanase Tongavelo, Ministre de l’enseignement supérieur et de la recherche scientifique
    14- Irène Victoire Andréas, Ministre du tourisme et de l’artisanat
    15- Colonel Claude Ravelomanana, Secrétaire d’Etat chargé de la Gendarmerie
    16- Hery Rajaonarimampianina, Ministre des finances et du budget
    17- Christine Razanamahasoa, , Ministre de la justice
    18- Remy Sylvain Organès Rakotomihantarizaka, Ministre de la sécurité intérieure
    19- Julien Razafimanazato, Ministre de l’Education Nationale
    20- Colonel Randriamiandrisoa Calixte, Ministre de l’environnement et des forêts
    21- Nirhy Lanto Andriamahazo, Ministre de l’eau
    22- Fienena Richard, Ministre de l’économie et de l’industrie
    23- Maharante Jean de Dieu, Ministre de l’élevage
    24- Jaonina Mamitiana, Ministre de l’agriculture
    25- Mamy Ratovomalala, Ministre des mines et des hydrocarbures
    26- Virapin Ramamonjisoa, Ministre des sports
    27- Serge Ranaivo, Ministre de la jeunesse et des loisirs
    28- Eric Razafimandimby, Ministre des travaux publics et de la météorologie
    29- Toto Raharimalala Lydia, Secrétaire d’Etat à l’enseignement technique et de la formation professionnelle
    30- Alain Andriamiseza, Ministre de la pêche et des ressources halieutiques
    31- Nathalie Rabe, Ministre de la Communication
    32- Hajo Andrianainarivelo, Ministre de l’aménagement du territoire et de la décentralisation

    III- Membres de la HAT

    1- Jean Lahiniriko, Vice-président de la HAT
    2- Patrick Monibou, Vice-président de la HAT
    3- Bruno Rajaonson, Vice-président de la HAT
    4- Lala Harinaivo Rasamoelina, Vice-président de la HAT
    5- Dolin Rasolosoa, Vice-président de la HAT
    6- Roland Ratsiraka, président de la HAT
    7- Robertine Rabetafika
    8- Ialy Rakotoniaina
    9- Pélops Ariane Voninahitsy
    10- Pierre Andrianantenaina
    11- Phillipe Jaozandry
    12- Bruno Betiana
    13- Evariste Marson
    14- Prezaraly Jonah Parfait
    15- Jean Jacques Rabenirina
    16- Alexandre Rambolazafy
    17- Jan Max Rakotomamonjy
    18- Pierre Houlder Ramaholimasy
    19- Désiré Phillipe Ramakavelo
    20- Benjamina Ramarcel Ramanantsoa
    21- Daniel Ramaromisa
    22- Alain Ramaroson
    23- Yvon William Randriazanakolona
    24- Jean Théodore Ranjivason
    25- Bernard Ravelonjato
    26- Herimanana Razafimahefa
    27- Constance Razafimily
    28- Julien Reboza
    39- Remi dit Jao Jean
    30- Jacky Tsiandopy
    31- Pierre Tsiranana
    32- Benjamin Vaovao
    33- Andry Rasolofo
    34- Joseph Yoland
    35- Ratovonomenjanahary
    36- René Rasolofo

    IV- Membres du conseil Militaire pour la défense nationale

    1- Gal de Division Rabarisoa Ranto Anjoanin, vice-président
    2- Intendant Général Andriamisa amédée Ramihone
    3- Gal fr Brigade aérienne Ranaivomanana Réol
    4- Général de Brigade gilbain Pily
    5- Gal de vrigade Koto Marcel
    6- Colonel Raoilijon Rakotoniaina François d’Assise Marie
    7- Colonel Razafimanantsoa Alexandre
    8- Colonel Randriantsalama Jules
    9- Médecin Col. Ralamboson Jaona Harivelo
    10- Col. dominique Jean Adolphe
    11- Col. Rameliarison Robert Judex
    12- Col. Ralala Roger Pierre
    13- Col. Ranaivoson David

    V- Autres personnalités militaires soutenant l’action de la HAT

    1- Gal Ndrianarijaona, CEMGAM
    2- GAl BRuno Razafindrakoto, Commandant de la Gendarmerie
    3- Gal Viennot Zafera, Commandant de la FIGN
    4- Colonel Richard Ravalomanana, Commandant de la Circonscription interrégionale de la Gendarmerie
    5- Lieutenant-colonel Charles Randrianasoavina, Co-Directeur des Forces d’Intervention Spéciales et Commandant de la Brigade Minière
    6- Lylison René, Co-Directeur des Forces d’Intervention Spéciales

    VI- Membres de la HCC

    1- Rajaonarivony Jean Michel, président
    2- Imboty Raymond
    3- Rakotondrabao Andriantsihafa Dieu Donné
    4- Rabehaja Fils Raymond
    5- Rasoazanamanga Raheltine
    6- Rabendrainy Ramanoelson
    7- Ranampy Marie Gisèle
    8- Razoarivelo Rachel Bakoly
    9- Andriamanandraibe RakotoharilalaAuguste

    VII- Autres personnalités civiles soutenant l’action de la HAT

    1- Mme Mialy Rajoelina
    2- Daniel Rajakoba
    3- Manassé Esoavelomandroso

    Mihazakazaka izay tsy izy ny toe-draharaha eto amin’ny Firenena,ary samy miandry ny tohiny ny rehetra.Mandra-piandry izany anefa dia samia mailo amin’izay ry Malagasy !

    Ampy izay ny fanonganam-panjakàna !!!Ampy izay ny tetezamitatra manara-penitra!!! Ampy izay ny fanaovana tsinontsinona ny zo sy safidinao !!!

    *Ho an'i Madagasikara Malalako manokana dia teti-dratsy sy politika maloto feno fihatsaram-bela-tsihy fotsiny mba hampatoriana sy handraikiraikena ny sain'ny Malagasy ny mody hitanisàna ny anaran-dRajoelina sy ny filoha teo aloha Atoa Ratsiraka fa ny tena tanjona sy tiana ahatongavana dia ny haminganana sy hanapotehana ny filatsahan-kofidian-dRtoa Lalao Ravalomanana izay hany kandidà mitondra rivo-baovao sy fanantenana ho an'ny Malagasy taorian'izay efa-taona feno nofy ratsy sy fahantràna manara-penitra izay.

    D.R.

    2 commentaires:

    1. Iza moa no matahotra an'i Neny raha tsy i TGV putschiste sy ny frantsay e!safidin'ny basy sy miaramila no antenainy fa tsy safidin'ny vahoaka.

      RépondreSupprimer
    2. Efa fantatra hoe iza no holany e !! raha tsy hisy ny hala-bato !!! ...

      RépondreSupprimer