RADIO LONGO MADAGASIKARA

ACCUEIL | GALERIE PHOTO | COUP D’ÉTAT 2009 | TIAKO I MADAGASIKARA | COMMUNIQUES |
  • Marc Ravalomanana : « Vonona hifamela amin-dRajoelina aho »


    ravalomanana-rajoelina-fampihavana-pirenena.jpg

    Ela tsy nitenenana aho ka mampita ny vaovao marina angatahinareo mpanao gazety, hoy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana nifampitafatafa an-telefaonina tamin’ny mpanao gazety tetsy Bel’Air ny alarobia teo. Ny zava-misy marina no ambarako anareo fa tsy misy foronina, hoy izy, ka ianareo mandraisa koa ny tandrifinareo hampita izany am-pahamarinana fa ny tombontsoam-pirenena no katsahintsika ankehitriny fa tsy tombontsoan’olon-tokana.


    Ho fampandrosoana ny firenena


    Nohazavainy fa iray volana izay, ny 4 aprily 2014, no nihaona tany Afrika Atsimo izy sy ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Fototry ny dinika ny fametraham-panontaniana niaraka hoe : ahoana no atao hampandrosoana an’i Madagasikara sy hamerenana indray ny fifampitokisana amin’ny sehatra iraisam-pirenena ? Nahafinaritra ny dinika, hoy izy, satria samy vonona hanatanteraka ny andraikiny ny tsirairay. Voatsidika tao ny resaka « passeport » ka nifanarahana fa tokony ho sarahina amin’ny dinika atao iny fa resaka hafa mihitsy. Raharaha manokan’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny mantsy izy io izay nangataka ny hamerenana ny anankiroa lany daty taty amiko (ny n°07D710330 ny 22/04/2008 lany daty ny 22/04/2013 sy ny N°07D701651 ny 13/05/2009 lany andro ny 15/2013. Ary satria tsy nivaly hatramin’izao ny fangatahana fanavaozana ireo « passeport » ireo dia nangataka fahazoan-dalana manokana tamin’ny mpiandraiki-draharaha malagasy miasa ao amin’ny ambasadintsika aty Prétoria Afrika Atsimo aho mba hahazoanay mivady manatrika ny fetim-pirenena malagasy araka ny fanasana nataon’ny filoham-pirenena malagasy naterin’ny « motard » teny Faravohitra ary efa tonga aty amiko. Tsy nahazoam-baliny avy amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny malagasy indray izany nefa ny tenako efa vonona ny hanainga na izao dia izao na rahampitso alakamisy 26 maraina farafaharatsiny fa efa misy namana afaka manome fiaramanidina manokana ahy.

    Vonona hiresaka sy hifamela


    Ambarako eto, hoy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, mba hamaliana ireo eritreritra diso fa tena te-hody aty Madagasikara aho fa olom-pirenena manan-jo feno amin’izany, ary aty Madagasikara no tany hilevenako. Tsy mivadika tamin’ny teny nifanomezanay sy ny filoha Hery Rajaonarimampianina ny tenako ary na sanatria aza tsy ho azo ny « passeport » dia mbola hanohana azy foana satria mila firaisankina sy fifanomezan-tanana ny ho fampandrosoana an’i Madagasikara. Anontanio koa ny Malagasy fa tsy mbola namadika azy aho ary tsy hamadika azy na oviana na ovina. Efa namoaka fehin-kevitra ny FMI, hoy izy, fa firenena bankiropitra i Madagasikara nefa dia 45 tapitrisa dolara monja no mba nomeny antsika fa efa lasan’ireo firenena afrikanina hafa toa an-dry Mozambika, ry Swazilandy … ny vola tokony ho an’i Madagasikara. Ny tetibola fampandehan-draharahantsika anefa dia avy any ivelany ny ampahany be indrindra (75%) izay tsy ho azontsika raha tsy hitan’ny avy any ivelany ny fahavononantsika hampihatra ny tany tan-dalàna, ny fitantanana tsara tantana ary ny fanajana ny zon’olombelona sy ny fampiharana ny voalazan’ny faideroty. Ho avy ao Antananarivo hijery izany ry zareo amin’io herinandro hitsidika io. Zava-dehibe ny tokony hanatrehantsika ny fivoriana any Washington amin’ny volana oktobra ho avy izao.

    Tamin’ny famaliana nivantana ny fanontanian’ny mpanao gazety tetsy Bel’Air no nilazan’i Marc Ravalomanana fa vonona ny hifamela amin’i Andry Rajoelina izy fa Kristianina rahateo. Tsy maintsy haverina fihavanana sy fifampitokisana ary fitoniana. Mahatsiaro ho manana adidy amin’izany aho, hoy izy ka haveriko fa tena te-hody aho, te-hanampy ny fitondrana te-hanampy ny vahoaka Malagasy hiala anaty krizy ary te-hanampy firenena ihany koa. Lavitra amiko izany hanao valifaty izany fa ny fampandrosoana an’i Madagasikara izao no banjinina fa tsy tombontsoan’olon-tokana. Aza manaiky hampiadian’olona an-trano izany isika mianakavy. Novaliany moa ny mpanao gazety tamin’ny filazana fa ny fitondrana afrikanina tatsimo no miantoka azy any an-toerana.

    http://tiatanindrazana.com/

    1 commentaire:

    1. Misaotra sy mankasitraka anao Atoa Filoha @ fahendrena goavana izay asehonao.Andriamanitra anie hanome hery sy hitahy anao sy ny ankohonanao mandrakariva.

      RépondreSupprimer