![]() |
| Nous comprenons alors pourquoi Andry Rajoelina n’a pas hésité à renier sa signature. (...) |
NY ANDRAIKITR’I LAFRANTSA AMIN’NY KRIZY ETO MADAGASIKARA (Pr Adolphe E. RAKOTOMANGA)
« Lasa kanosa ny Olona raha mangina izy fa tsy midradradradra » (Abraham LINCOLN)
(Nadika avy amin’ny teny frantsay)
Misaona ny aty fo amam-panahinay hatramin’ny 17 Mars 2009 no mankaty, andro nilatsahan’ny loza amin’antambo tamin’i Madagasikara, ka niteraka faharavana sady haingana no tsy azo ivalozana: faharavana eo amin’ny lafiny fitondran-tena, politika, fihariana, fiaraha-monina, kolontsaina. Tsy misy ahafantarana azy intsony ireo andrim-panjakana, ary ny demokrasia dia noviraviraina ka zary toy ny voro-damba rovitra maharikoriko. Taorian’ny 1947 dia miaina ny vanim-potoana maizina indrindra i Madagasikara ary tsy misy valaka amin’ny firenena voanjoin’ny hafa*, toa an’i Lafrantsa fahizay tamin’ny andron’ny fitondrana nazi (1939 – 1945).
