![]() |
| Pr Ranjeva Raymond |
Ankoatra izay moa dia mampihombo ny krizy ny tsy fisian’ny vola ampiasain’ny olona te hiavo-tena, koa izany no mampijaly ny vahoaka tao anatin’izay telo taona izay ary mila fanafodiny maika.
Ny fanonganam-panjakana niseho teto Madagasikara no fototry ny krizy. Ary tsy misy tsy miaiky izany, afa-tsy izay te hikimpy maso. Izany no mahatonga ny olom-pirenena tsy hanaja ny mpitondra sy ny lalàna, izany no mahavaky ny fianakaviana sy mandrava ny fihavanana. Tapaka ny famatsiam-bola avy any ivelany nefa tsy manana handoavana hetra na ny olom-pirenena na ny orinasa eto an-toerana. Fandaniam-poana tsy misy fehiny no hita. Ny vola ampidirin’ny fitondrana eto tsy ampy. Potika tanteraka ny fiarahamonina. Very ny hasina sy ny soatoavina ara-moraly sy ara-pinoana, ka ny fifampiahiahiana sy ny fifankahalana no manjaka.
T.T : Inona no hiatrehana ireo krizy ireo ?
R.R. : Tsy resaka olona na fizarana seza no hiatrehana ireo. Tsy adidin’ny olom-pirenena na vondron’olona manokana. Isika Malagasy no ilaina ho tompon’antoka amin’ny famahana ny olana. Fomba fijery hafa no tokony hiatrehana ny raharaha, ka fitondrana tena hanompo firenena ary afaka hamaha ireo krizy mampahantra vahoaka ireo no hajoro, izany hoe fitondrana manamaivana ny fahoriana mianjady amin’ny mponina ary manao ho vaindohan-draharaha ny mamerina amin’ny laoniny ny fiainana andavanandro, dia Malagasy afaka mifampatoky, tany mandry fahalemana, mpianatra mianatra, mpiasam-panjakana manaja ny olona miditra birao, ohatra. Fitondrana tan-dalàna miaro ny zo sy ny fananana ary ny asa sy ny hasin’ny tsirairay. Fitsarana tsy mandray baiko hamalifaliana ny lehibe. Foloalindahy tsy natao hampihorohoro na hampijaly vahoaka fa manjary herim-pamoretana. Tsy fizaran-toerana no mahamaika fa famaritana sehatr’asa hiatrehana ireo fahoriana mankarary sady mampahantra ny Malagasy ireo. Ohatra, raha momba ny fambolena sy fiompiana dia tompon’andraikitra amin’ny famatsiana ara-tsakafo ny mponina no tendrena maika, mpiandraikitra afaka hampiverina ny mpianatra any an-tsekoly, hanampy ny mpampianatra hamaha ny olany no tadiavina eo amin’ny fanabeazana … Tsy mihoatra ny 20 ny isan’ny mpikambana ao anatin’ny fitantanan-draharaham-pitondrana. Governemanta mitsitsy miala amin’ny fandaniana mihoapampana sady mahafehy ny asa iantsorohany no takian’izany. Mandrindra ny asa ao no andraikiny, ary handrafetana tondro hahazoana mijery ny dingana vita. Tsy tanteraka ireo fenitra ireo raha tsy fitondrana miandany amin’ny tombontsoan’ny besinimaro ihany ary mandala ny marina sy ny rariny no hajoro. Marihina fa tsy mijanona ho fampanantenana fotsiny izany fa tsy maintsy tsaraina isan’andro ny asan’ny governemanta ka tena ilaina ny fahalalahan’ny asa fanehoan-kevitra sy fampiam-baovao, ny fanabeazana ary ny fitaizana mifanandrify izany. Fandrafetana mazava ny andraikitry ny foloalindahy ka ny fahefana sivily no mametra izany. Ampahatsiarovana azy ireo fa avy amin’ny vahoaka izy ireo ka tokony hiaro azy sy azony hianteherana amin’ny sarotra. Averina amin’ny laoniny ireo fitaovana fototra nezahina nametrahana fitondrana tsara tantana izay potika, ohatra ny lalàna fototra mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana.
T.T : Hafiriana ny faharetan’ny tetezamita tena marina ary inona no andraikitra hotanterahiny ?
R.R. : Tsy ny mahalavareny ny “tetezamita” no inona. Izay telo taona izay aza efa fotoam-bery maina tsy nisy zava-banona, tetezamita nampikoroso fahana ny vahoaka, tsy nahavita na inona na inona. Mila fitondrana hafa, mandra-pahatanterahan’ny fifidiana marina, afaka manala olana ireo krizy voatanisa teo aloha ireo ahafahana miroso sy hamerenana tsikelikely ny fitokisan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Anisan’ny andraikiny ny hanomana fifidianana tsy mitanila, marina sy hitokisan’ny rehetra ary tanterahina ao anatin’ny mangarahara tanteraka. Tsy ny mpanao politika no anankinana ny fitantanana ny fifidianana. Fahefana mahefa no hiantoka ny fikarakarana ny fifidianana. Tsy maintsy hamarinina ny fikirakirana ny vola ary ho tompon’antoka ny banky, ny orinasa sy ny malala-tanana mpanome fanampiana ny mpilatsaka hofidiana eo amin’ny fitantanana azy. Havaozina tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Hikarakara ny firosoana amin’ny fanaovana ny dinam-piarahamonina tsy hiverenan’ny krizy intsony, fanasitranana ny firenena amin’ireo lozan’aretina mahazo azy, fanomanana lalàpanorenana vaovao hifehezana ny fitondran-panjakana sy ny fiarahamonina, fanabeazana ny vahoaka hitaky ny famerenan-doha ary hametrapetraka ny fampihavanana.

T.T : Resahina tato ho ato ny fihaonan’ny roa tonta, ny efa-tonta, fa tetezamita toy inona no harosonao
R.R.: Tsiahivina fa efa tamin’ny febroary no nametrahako an’io fihaonan’izy roalahy io fa tsy neken’ny sasany tamin’izany satria teo am-panomanana fanongana-panjakana ny sasany. Telo taona izao no very vao iverenana indray io fihaonan’ny roa tonta io, nefa efa niova ny toe-draharaha. Hamafisina fa ilaina io fihaonana io ary tokony hivoaka eo ny marina rehetra. Alefa mivantana amin’ny haino aman-jery sy ny tamba-tserasera ny dinika ifanaovany. Averiko fa tsy maintsy milatsaka hofidina izy roalahy ireo dia ny mpifidy no mitsara. Tokony hisy vahaolana vaovao hivoaka aorian’ny fihaonan-dRavalomanana sy Rajoelina izay tokony hanapaka sy hiaraka midinika amin’ny filoha roalahy voafidim-bahoaka teo aloha ny alaolana. Izay no hirosoana amin’ny vahaolana mamaha ny krizy ankehitriny sy tsy hiverenan’izany intsony.
T.T : Tsy azo tanterahina io soso-kevitrao io satria tsy voalazan’ny tondrozotra ?
R.R : Izay lalan-kevitra azo antoka fa hampiala ny firenena amin’izao krizy izao dia tsara avokoa, indrindra raha tanterahina an-tsakany sy an-davany. Jereo ny andininy faha-33 ao amin’ny Dinan’ny Firenena Mikambana. Ny momba ny tondrozotra dia efa tsapa fa tsy mahatafavoaka intsony io satria fizaran-toerana an’ny samy mpanao politika no voavahany fa aiza ny amin’ny olana fototra votanisa ao mbola mampikatso ny firenena ? Tsy ny maha marim-pototra ny tondrozotra, hoenti-mamaha olana no kianina eto fa ny foto-kevitra sy ny fomba nandrafetana ary namolavolana azy. Tsy mametraka olana na voalazan’ny tondrozotra na tsia ny soso-kevitra avy aty aminay. Io fihaonan’izy mirahalahy io koa anie tsy voalaza ao anaty tondrozotra koa nahoana no eken’ny SADC ny fanatanterahana azy ?
Nalaina tao @ gazety Tia Tanindrazana:http://tiatanindrazana.com/

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire